FANAPARIAHANA LALANA SY PAIKADY ARA-PITSARANA

📌 Hamaranantsika ny mikasika ireo trangam-piankohonana voalazan’ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 febroary 2019 mifehy ny fiankohonana ny mikasika ny fanariana anaka (rejet) sy ny fanjanahana (reconnaissance)

🔷 NY FANARIANA (REJET):
👉 Ny fanariana dia sazy ampiharina amin’ny zaza iray efa ampy taona, izay ataon’ny rainy, na ny reniny, na ny raiamandrenibe nipoirany na koa ny mpanangana azy ka mitarika ny faharavan’ny rohim-pianahana nampifandray ny mpanary sy ny nariana.
👉 Foana toy ny tsy nisy ny maha ray na reny na raiamandrenibe nipoirana eo amin’ny zanaka nateraka/taranaka ary ny maha zanaka/taranaka amin’ny ray na reny niteraka na raiamandrenibe nipoirana.
👉 Tsy mandova an’ireo izay nanary azy intsony noho izany ny zaza nariana.
👉 Didy avoakan’ny fitsarana ihany no manonona ny fanariana.

➡️ Porofon’ny fanarian’anaka : sora-panariana (acte de rejet) ataon’ny mpiandraikitra sora-piankohonana amin’ny alalan’io didim-pitsarana raikitra io.

🔷 NY FANJANAHANA (RECONNAISSANCE):
👉 Ny zanaka teraka tsy tao anatin’ny fanambadiana no anaovana fanjanahana.
👉 Ny fanjanahana dia ny fiaikena araka ny lalàna, an-tsitrapo ny maha ray niteraka ny zaza iray teraka talohan’ny fanambadiana na ivelan’ny fanambadiana. Afaka atao eo am-pahaterahan’ilay zaza izany na koa aty aoriana.
👉 Miteraka fianahana eo amin’ilay ray sy ilay zanany ny fanjanahana nataony.

⭐ Fomba fanaovana ny fanambarana :
Ambaran’izay ray te-hanjanaka ilay zaza:
👉 manoloana ny Mpiraki-tenim-panjakana (officier public) amin’ny alalan’ny sora-to na sora-toavina,
👉 manoloana ny Mpiandraikitra ny sora-piankohonana,
👉 amin’ny alalan’ny didy miafina (testament).
Porofon’ny fanjanahana : sora-panjanahana (acte de reconnaissance) ataon’ny Mpiraki-tenim-panjakana na ataon’ny Mpiandraikitra ny sora-piankohonana na didy miafina nataon’ilay ray niteraka.

🔷 TSARA HO FANTATRA :
👉 Manomboka amin’ity lalàna vaovao ity dia ho atao fitanana ara-haikajy mirindra (digitalisation) avokoa ny sora-piankohonana eto Madagasikara.
👉 Ity lalàna vaovao ity ihany koa dia nametraka ny fanomezana laharam-pamantarana manokana (identifiant unique) ho an’ny olona tsirairay avy.
➡️ Marihina moa fa mandeha tsikelikely sy an-tanan-tohatra avokoa ny fanatanterahana izany rehetra izany.