Fitsidihana ara-pomba fanajana teto Faravohitra nataon’ny avy ao amin’ny PNUD sy ny USAID ary ny PREA

📸 Pejy an-tsary 22 Martsa 2022

⚖️ Fitsidihana teto Faravohitra:
Fanatsarana ny asam-pitsarana no himasoana miaraka

📌 Tonga teto Faravohitra, nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tamin’ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOZAFY François, androany Talata 22 Martsa 2022, ny Mpisolo Tena maharitra eo anivon’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD), sy ny Tale Jeneralin’ny USAID ary ny Solontena avy ao amin’ny PREA.

🔷 Nisongadina nandritra izany ny momba ny Tetikasa ” RINDRA” izay hatomboka ny Alakamisy ho avy izao. Tanjona iraisana ny fanatsarana ny fampandehanana ny asam-pitsarana, indrindra ny resaka ady madio.

➡️ Ohatra mivaingana ao ny lafiny haikajy mirindra (informatisation) hanatsarana ny fitantanana rehetra. Haharitra 5 taona moa ity Tetikasa ity.

💡 Mitondra fanazavana ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Atoa RAKOTOZAFY François, arahin’ireo valim-panontaniana avy amin’ireo mpanao gazety.