Fitsidihana nataon’ny Masoivoho Mpisolo toerana Iraniana tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana.

Tonga nitsidika ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza teto amin’ny biraony eto Faravohitra, ny Masoivoho Mpisolo toerana Iraniana (Chargé d’Affaires a.i. de l’Ambassade de la République Islamique d’Iran) SEM Ali Bakhshi HASSAN. Ankoatra ny dinika fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny Fitsarana eo amin’ny firenena roa tonta, dia nanamafy ny fahatokisany ny Fitsarana Malagasy ny Masoivoho Mpisolo toerana Iraniana.