Asam-pitsarana : Hilofosana ny fanadiovana sy ny fanatsarana

Mazava ny tanjona. Himasoana ny fanadiovana sy fanatsarana ny asam-pitsarana. Antso avo no atao amin’ireo izay mbola mitady tsy hanaiky ny fanavaozana. Mila vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana ny asa fanompoana ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Hisy ny fanampiana ireo fitaovana sy fanohanana isan-tsokajiny hahatomombana izany.

Nivoitra ireo tanaty lahateny nataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa IMBIKI Herilaza, tao aorian’ny fanangana-tsaina natao teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, androany Alatsinainy 30 Aogositra 2021. Toromarika hentitra no nomeny ireo mpiara-miasa tsy an-kanavaka.