Dinikasa niaraka amin’ireo DRAP sy CE

📸 Pejy an-tsary Alakamisy 24 Febroary 2022
⭐ Dinikasa tao amin’ny FLM Ambatovinaky, teo amin’Atoa Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP), sy ireo Lehiben’ny Fonja (CE) manerana ny Nosy.
🔷 Nanokatra ny fotoana, Rtoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, niompana tamin’ny fanomezana ireo toromarika sy fifanakalozan-kevitra momba ny asa, ny fihaonana.
⚖️ Fandraharahana ny Fonja
Dinikasa niaraka amin’ireo DRAP sy CE
📌 Miroso hatrany ny fanatsarana ny asa. Dinikasa 2 sosona no tontosa omaly tao amin’ny Tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana eto Faravohitra, sy androany 24 Febroary 2022 tao amin’ny FLM Ambatovinaky.
⭐ Dinikasa teo amin’Atoa Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja (DGAP), sy ireo Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP) 22 manerana ny Nosy, ary ireo Lehiben’ny Fonja (CE).
🔷 Niompana tamin’ny fanomezana ireo toromarika sy fifanakalozan-kevitr­a momba ny asa, ny fihaonana.
💡 Mitondra fanazavana Atoa DGAP, ny « Inspecteur en Chef de l’Administration Pénitentiaire » IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga.