Fampahafantarana lalàna:

👉 Indro ampahafantarina antsika mpanaraka ny pejy, mandritra ny herinandro maromaro ny mikasika ny lalàna vaovao momba ny fiankohonana (état civil).

📌 Raha ny lalàna laharana 61-025 tamin’ny 09 oktobra 1961 no nifehy ny fiankohonana hatramin’izay, dia niova ho ny lalàna vaovao laharana 2018-027 tamin’ny 08 Febroary 2019 no mifehy izany manomboka izao.

⭐ IRETO AVY IREO TOKONY HO FANTANTSIKA MIKASIKA NY FIANKOHONANA SY IREO FANOVANA NENTIN’NY LALANA VAOVAO MIKASIKA IZANY :
🔶 1- Inona no atao hoe fiankohonana (état civil) ?
🔹Ny fiankohonana dia fitambarana singa hamantarana olona iray sy ny toerana misy azy eo anivon’ny fianakaviana sy fiaraha-monina, izay mamaritra ny fahafahany manao sy ny fahazoany manatontosa soratra araky ny lalàna.
Ohatra : teraka, manambady, maty vady, nisara-bady, maty ….

🔶 2- Inona indray no antsoina hoe sora-piankohonana (acte d’état civil) ?
🔹Ny sora-piankohonana dia soratra iray izay aneken’ny manam-pahefana ara-panjakana amin’ny fomba toavina ho misy ny trangan-javatra iray izay iankinan’ny mombamomba ny olona iray.

🔶 3- Inona no ilàna ny bokim-piankohonana (livret de famille) ?
🔹Bokim-pianakaviana no tena ahalalan’ny maro azy,
🔹Hanoratana sy handikàna isaky ny vanim-potoana sy isan-taona ny fanambarana ny sora-piankohonana voaray,
🔹Hametrahana ireo filazana an-tsisiny araky ny fotoana voatondro hanoratana azy ao anatin’ny sora-piankohonana,
🔹 Porofo aseho rehefa hikarakara taratasy ara-panjakana

🔶 4- Inona no atao hoe trangam-piankohonana (faits d’état civil) ?
🔹Ny trangam-piankohonana dia ireo zava-miseho mandritra ny fiainan’ny olona iray izay mety hanova ny fiankohonany.
👉 Ireto avy ireo karazana trangam-piankohonana:
– ny fahaterahana (naissance),
– ny fahafatesana (décès),
– ny fanambadiana (mariage),
– ny fisaraham-panambadiana (divorce),
– ny fananganana (adoption),
– ny fianahana (filiation),
– ny fanariana (rejet),
– ny fanjanahana (reconnaissance)

📌 Hojerentsika tsirairay indray ny mikasika ireo trangam-piankohonana ireo amin’ny herinandro
✔️ Natolotry ny Sampandraharan’ny Fanapariahana Lalàna (Service de la Vulgarisation Juridique) ao amin’ny Foibem-pitondrana Fandinihana sy Fanavaozana Lalàna (Direction des Etudes et des Réformes Législatives – DERL) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.