Asa fanarenana taorian’ny rivodoza: Fidinana ifotony any Atsimo Atsinanana

⚖️ Asa fanarenana taorian’ny rivodoza:
Fidinana ifotony any Atsimo Atsinanana
📌 Misy ireo takaitra sy fahasimban’ny fotodrafitrasa taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza 2 farany tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Maro ireo asa fanarenana atao, na eo anivon’ny Fonja na eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI).
➡️ Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, tarihin’nyTale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana (DGPR), Atoa RAVELOSON Aimé Gilbert, no manatontosa fidinana ifotony, any Mananjary, Manakara, Vangaindrano ary Farafangana.
Ireto ny fitaovana natolotra :
– Latabatra 2
– Caisson Mobile 2
– Armoara kely 2
– Latabatra birao 3
– Seza birao 5
– Solosaina 2
– Ondulaur 2
– Imprimante 2
– Gel Main 120 tavoangy
– Desinfectant pour sol 15 boaty
– Savon liquide 15
👉 Entina an-tsary ireo fitaovana natolotra, sy ny fidinana ifotony tao Mananjary.