ENMG : Fidiran’ireo mpianatra ho Mpitsara 81 mianadahy andiany 2021

📸Pejy an-tsary Alarobia 02 Martsa 2022
⚖️Fidiran’ireo mpianatra 81 mianadahy andiany 2021, ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy ho Mpiraki-draharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna

⚖️ENMG :
Mpianatra mendrika sy mahay no tanjona

📌Izy ireo no anisan’ny hoavin’ny tontolon’ny Fitsarana. Hamafisina ny fahaizana efa ananany, ary beazina ho mendrika ka hanandratra avo ny hasin’ny Fitsarana Malagasy. Nivoitra ireo androany 02 Martsa 2022, nandritra ny lanonana fanamarihana ny fidiran’ireo mpianatra 81 mianadahy, andiany 2021, ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy ho Mpiraki-draharaha (ENMG) etsy Tsaralalàna.

➡️Amin’ireo mpianatra 81, dia 41 no manao ny « filière judiciaire », 20 manaraka ny « filière financière » ary 20 no ao amin’ny « filière administrative ». 2 taona no faharetan’ny fianarana, ka ny taona voalohany dia ao amin’ny Sekoly, ary ny herintaona farany dia miompana amin’ny fiofanana eny amin’ny sehatra arak’asa (stage). 4 taona izao no tsy nisian’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny ENMG. Ankoatra izay dia misy ny fanavaozana sy fanatsarana entina eo amin’ny amin’ny fampianarana ho an’ireto andiany 2021 ireto.
✳️Lavitry ny kolikoly
✅Nampiavaka indrindra iny fifaninanana natao tamin’ny 2021 iny, ny fahadiovana tanteraka teo amin’ny fanadinana. Tsy nisy ny kolikoly, ary izay indrindra no hafatra mafonja nomena ireto mpianatra vaovao, izay nentin’Atoa Tale Jeneralin’ny ENMG. Nanokatra ny lanonana fanamarihana ny fidirana, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa RABY SAVATSARAH Ain’Harimanga Gabrielle, izay nisolo tena, an-dRtoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjaka­na, Minisitry ny Fitsarana Mpisolo toerana.
💡Mitondra fanampim-panazavana misesy, ny Talen’ny Fampianarana mpianatra ho Mpitsara ao amin’ny ENMG, Rtoa RAMINOHARIMALALA Lisy Miadanirina, ary ny Tale Jeneralin’ny ENMG, Atoa RAMAROLAHIHAINGONIRA­INY Anthony.