Notanterahina androany 19 Martsa 2021 teny Tsiafahy ny fampiakarana galona an’ireo Mpandraharahan’ny fonja izay miasa eny amin’ny fonjambe eny an-toerana.
Nisy 9 miralahy izy ireo no nahazo ny fampiakarana galona ; « Contrôleur d’administration Pénitentiaire » ny iray ary , « Agents Pénitentiaires » ny valo.
Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja sy ireo Tale mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.