Fandraharahana ny Fonja: Fiofanana amin’ny fitantanam-bola

Nisokatra ny talata 23 Febroary 2021 eto amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) Antetezambaro – Toamasina ny atrikasa fiofanana momba ny fitantanam-bola izay atrehin’ireo « Inspecteur d’Administration Pénitentiaire » (IAP) miisa 27. Haharitra 4 andro ny fiofanana, ho an’ireo IAP sy ireo mpikirakira vola avy amin’ny Faritra Aalamanga, Itasy, Alaotra Mangoro ary Atsinanana. Tanjona ny hanamafisana ny traikefa sy fahaiza-manao amin’ny lafiny fitantanam-bola. Manohana ny fiofanana ny tetikasa PAJMA (Projet d’appui à la Justice à Madagascar).
Tsiahivina fa efa vita tamin’ny taona 2020 ny fiofanana ho an’ireo IAP avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy izay natao tany Fianarantsoa, ary ny avy amin’ny tapany avaratry ny Nosy natao tany Mahajanga.