Fanendahana Mpandraharahan’ny Fonja teny 67 Ha : Nidoboka am-ponja ireo totakely 4 mianadahy

 

Ela nitoratorahana ka nahavoa voamason’angatra. Olona miisa 4, ka lehilahy ny telo ary vehivavy ny iray, no naiditra am-ponja vonjimaika (MD) rehefa avy niakatra Fampanoavana tetsy Anosy androany 19 Febroary 2021. Ireo lehilahy telo any Tsiafahy ary ilay vehivavy kosa etsy Antanimora. Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava (BC) izy ireo ny 16 Febroary 2021, noho ny raharaha fanendahana Mpandraharahan’ny Fonja.

Teny 67Ha no nanaovan’izy ireto ny asa ratsiny, izay tsy vao voalohany izao. Mpandraharahan’ny Fonja avy any Arivonimamo, nody hariva rehefa avy nanatitra voafonja teny Antanimora ny harivan’ny 16 Febroary 2021 no voadaroka tamin’ny hazo sy voan’ny sabatra ka naratra mafy tokoa: vokany, very tamin’izany ny basy iray marika MAT 49.
Andro vitsy monja taorian’ny namelezany ireo Mpandraharahan’ny Fonja, dia vehivavy miisa roa miasa amina orinasa tsy miankina eny 67 Ha no lasibatr’ireto totakely, ary nampiasany ny basy nendahiny tamin’ireo Mpiandry Fonja.
Taorian’ny fisamborana azy ireo, dia efa niverina amin’ny tompony ny basy very. Mbola misy olona miisa 4 karohina momba ity raharaha ity.