Firenena Mikambana sy Fitsarana Malagasy : Nitsidika teto Faravohitra ny Mpandrindra ny ONU

Vonona ny hanome tanana hatrany ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola (PTF). Tonga nitsidika ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana (GSMJ) Atoa Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO, ny Mpandrindra eo anivon’ny Firenena Mikambana (ONU) eto Madagasikara, Atoa Issa SANOGO ; androany Talata 16 Febroary 2021, teto Faravohitra.

Ny 11 Desambra 2020 no nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ity Mpandrindra ny ONU ity. Voalohany izy no tonga eto Madagasikara izao.
Teo aloha, dia efa Talen’ny Ivon-toerana Miady amin’ny tsy Fanjarian-tsakafo eo anivon’ny PAM tany Abidjan, Côte d’Ivoire, Atoa Issa SANOGO. Efa Talen’ny PAM tany Tchad ihany koa. Nanomboka tamin’ny taona 2005 izy no niditra niasa eo anivon’ny ONU.

Naharitra ny fihaonany tamin’ny GSMJ. Niompana tamin’ny fanohanana sy fanampiana ho amin’ny fanatsarana hatrany ny asam-pitsarana amin’ny ankapobeny ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, izay natrehin-dRtoa Tale misahana ny Zon’olombelona sy ny Fifandraisana Iraisam-pirenena (DDHRI) eto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.