Fandraharahana ny Fonja : Andron’ny DRAP

Maha velombolo ny vokatry ny asa sy ezaka atao amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana. Tontonsaina manomboka androany 4 febroary 2021 ao amin’ny Tranombokin’ny Ministeran’ny Fitsarana, eto Faravohitra, ny telo Andron’ny Talem-paritra amin’ny Fandraharahana ny Fonja (DRAP). Miisa 22 ireo DRAP mpandray anjara nandritra ny fanokafana androany maraina, izay teo ambany fiahian’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO.