Toliara : Mpiasan’ny Fitsarana Vaovao

Notontosaina androany 1 febroary 2021 ny fametrahana ireo mpiasan’ny fitsarana 12 tany amin’ny Faritany Toliara.

Tonga nanome voninahitra izany tany an-toerana ny solotenan’ny Governemanta Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena TINOKA Roberto no sady Minisitra « coach » ho an’ny Faritra Toliara; ny Tale kabinetran’ny Ministeran’ny Fitsarana,Ramatoa Savatsarah Raby; ny Governora ny Faritra Atsimo Andrefana Dr Edally Ranoelson.

Izany dia notronin’ireo manam -pahefana isan-tsokajiny eo an-toerana, nahitana ny Prefektiora, ny Depioten’ny Toliara I, ireo Ben’ny Tanàna kaominina ambanivohitry Belalanda sy Mitsinjo Betanimena ary ireo mpitsara rehetra tao amin’ny lapan’ny fitsarana tany an-toerana sy ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila.