Tetikasa fanamafisana ny tany tan-dalàna : Fampitaovana mitentina 200.000 $ natolotry ny PNUD

Mandroso ny asa sy ezaka fanatsarana ny sehatry ny fitsarana eto Madagasikara. Tontonsa androany maraina tety amin’ny Ministera ety Faravohitra ny fanolorana tamim-pomba ofisialy ireo fanomezana avy amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD). Fampitaovana izay mitentina 200.000 USD, avy amin’ny famatsiam-bolan’ny PNUD, ary tafiditra anatin’ny tetikasa fanamafisana ny tany tan-dalàna, amin’ny ankapobeny. Anisany ireo solosaina sy ireo fitaovana informatika isan-karazany, ary fampitaovana ho an’ireo birao. Eo ihany koa ny fampitaovana amin’ny ady atao amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 eny anivon’ny fonja, toy ny kidoro sy « gel désinfectant ».

Porofo fanohanan’ny PNUD ny ezaka tanterahina eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ho fanatsarana ny asam-pitsarana sy ny fandraharahana ny fonja izao. Toy izao avy no ho fitsinjarana ireo fampitaovana sy ireo hisitraka izany : ireo fitaleavana eto anivon’ny Ministera foibe, ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany any Ankazoabo, Fianarantsoa, Ambovombe, Ampanihy, Tolagnaro, ny Fitsarana an-Tampony, ireo Fitsarana Ambony eto Antananarivo, ao Fianarantsoa, ao Toliara. Tsy ho diso anjara ny fandraharahana ny fonja sy ireo Trano Aro Zo eto Antananarivo, ao Tolagnaro, ao Toliara, ao Manakara, ao Mananjary ary ao Farafangana.

Nambaran’ny Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijn, fa izao no natao dia mba ho fanosehana ny ezaka amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny hoenti-manana eo anivon’ny Fitsarana, hanafainganana ny raharaham-pitsarana ho fitandroana ny zon’ny vahoaka. Eo ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, indrindra amin’izao ady amin’ny valanaretina Covid-19 izao.

Nandritra ny lahateny nataony kosa, dia nohamafisin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo fa vonona hatrany ny Ministera tarihiny, hanohy ny ezaka rehetra ho fanatsarana ny asa. Tanjona ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fonja, mba ho fitandroana ny zon’ireo voafonja.
Nomarihiny manokana ny fanaraha-maso akaiky ny fahatongavan’ireo fitaovana tsirairay avy any amin’ireo izay tokony hisitraka izany ary ny fampiasana sy fikajiana azy ireo.