Fanovana sy fanavaozana : Tafapetraka ny Tonia mpampanoa lalàna ao Fianarantsoa

Ezaka hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny fanatsarana no atao eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana. Tafiditra amin’izany ny fanovana sy fanavaozana. Tafapetraka tamin’ny alalan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika natao ny zoma 21 janoary 2021 teo ny Tonia mpampanoa lalàna (Procureur de la République) vaovao eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) ao Fianarantsoa, Rtoa RABENDRAINY Tinah Sylvia.
Tontonsa nandritra izany koa ny fampahafantarana ireo lehibe vaovao mitantana ireo tribonaly rehetra eo anivon’ny fari-pifehezan’ny Fitsarana ambony (Cour d’appel) ao anatin’ny Faritanin’iFianarantsoa. Fotoam-pitsarana manetriketrika teo ambany fiahian’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, notronin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry, tompon’andraikitra isan-tsokajiny sivily sy miaramila ao anatin’ny Faritanin’i Fianarantsoa.
“Izao fanavaozana manerana ny Nosy izao dia natao araka ny baiko sy toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Atoa Andry Rajoelina, ny amin’ny fanatsarana ny asam-pitsarana ho famerenana ny fitokisan’ny vahoaka, ny hananana fitsarana mendrika, mivelatra sy misokatra amin’ny vahoaka, ary milofo amin’ny ady amin’ny kolikoly. Aoka tsy hidiran’ny politika ny asam-pitsarana. Aoka ny fitsarana hahaleo tena. Tsy misy Filohan’ny Repoblika, n’aiza n’aiza eto ambony tany, ka tsy hikatsaka izay hahasoa ny fireneny. Efa manao izany ny Filoha Andry Rajoelina raha ny fanatsarana ny asam-pitsarana no resahina, ka aoka ho izay no himasoantsika rehetra” hoy ny fanazavana nomen’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo, tamin’ny mpanao gazety.
Marihina fa ny tolakandro, dia nitarika dinik’asa izay natrehin’ireo mpitsara rehetra tsy an-kanavaka tonga teto Fianarantsoa ny tenany.