Fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-pitsarana

MANARAKA FIOFANANA IREO LEHIBEN’NY MPIRAKI-DRAHARAHA

Fiofanana mandritra ny 4 andro no nisokatra androany maraina etsy amin’ny Sekolim-pirenerena ho an’ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) Tsaralalàna. Ireo Lehiben’ny Mpiraki-draharaha no miofana amin’ny lohahevitra « la comptabilité des greffes et le principe exécutoire des décisions judiciaires » na « ny fitantanana ny tao-kaonty eo anivon’ny lehiben’ny firaketan-draharaham-pitsarana sy ny fotokevi-panatanterahana ny didim-pitsarana ».
Maro ny tanjona amin’ny fampiofanana tahaka izao raha ny fanazavana. Anisany ny hanamafy ny fahaizana sy ny traikefa amin’ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny asa, ny hahafehy ny paikady amin’ny fitantanana ny vola fanao an-tratra (provison). Ny hahavoatazona araka ny tokony ho izy ireo karazana rejisitry sy tao-kaonty ampiasaina, ny hampadio ny fomba fiasa, ny hahavitana ara-potoana ny kaonty. Ny hahafehezana ny andraikitra sy ny asa tokony hatao rehefa mivoaka ny didim-pitsarana, ny hanatsarana sy ny mba tsy hampitarazoka ny asam-pitsarana.
Laharam-pahamehana ny hananan’ny mpisehatra sy ireo manana raharaha aty amin’ny fitsarana fahatokisana amin’ny asam-pitsarana, ary ny hametrahana hatrany ny tany tan-dalàna sy ny fitsinjovana ny vahoaka.
Amin’ny zoma izao moa vao hifarana ity fiofanana arahin’ireo Lehiben’ny Mpiraki-draharaha etsy amin’ny ENMG ity.