Drafitra EPU

NY FIAROVANA NY ZON’OLOMBELONA NO HIMASOANA

Nifarana ny 02 desambra 2020 tao amin’ny Hotel des Thermes Antsirabe ny atrikasa voalohany fandrafetana ny drafitra fanatanterahana ireo toromariky ny Filankevitry ny Zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana ao anatin’ilay hoe “Examen Périodique Universel” na EPU, sy ireo Rafitra mpanara-maso ny fifanarahana iraisam-pirenena ary ny mpanao tatitra manokana.

Nandray anjara tamin’ny atrikasa ireo mpikambana avy ao amin’ny Komity manoratra ny tati-panjakana momba ny zon’olombelona, ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona ary ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Tsiahivina fa toromarika miisa 192 no neken’I Madagasikara nandritra ny fanadinana ny tatitra natao tany Genève tamin’ny novambra 2019. Ny fanatsaràna sy fampiroboroboana ny fiarovana ny zon’olombelona, indrindra ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy, no nahazoana fanamarihana betsaka. Noho izany dia fandrafetana ny drafitra ho fanatanterahana ireo toromarika ireo mandritra ny 4 taona ho avy, no natomboka tao Antsirabe ny 30 novambra teo.

Tanjona ny haha-fitaovana hatao tondrozotra izao drafitra izao, no sady hanomanana ihany koa ny Tatitra EPU faha-4 amin’ny taona 2024.