Fiaraha-miasa ivelany amin’ny Fitsarana

TONGA NITSIDIKA TETO FARAVOHITRA NY MASOIVOHON’I MAORISY SY NY SOLONTENAN’NY PNUD

Olo-manan-kaja roa sosona no tonga nitsidika amim-panajana androany ny Mpitahiry Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo. Voalohany ny Masoivohon’ny Nosy Maorisy Rtoa Marie Noëlle Françoise Labelle. Nanaraka azy ny Mpisolotena maharitra an’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) eto Madagasikara, Rtoa Natasha Van Rijn.

FIARAHA-MIASAN’NY FITSARANA MALAGASY SY MAORISIANINA

 Fotoana sisa andrasana. Tanjona ny hisian’ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy amin’ny lafiny Fitsarana. Efa  vonona sy nampitaina eo anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta sy ny Filan-kevitry ny Minisitra ny antotan-taratasy rehetra. Ireo no manapaka sy tompon’ny teny farany dia miroso ny fanaovan-tsonia, toy ny efa misy sy iraisana amin’ireo firenena hafa.

« An-dalam-panatanterahana io fifanarahana io, izay mbola tsy misy hatreto eo amin’ny firenena roa tonta. Mila dinika lalina mba tsy ho sanatria resaka politika sy tsy fanajana ny fahaleovantenan’ny firenena roa tonta.  Misy ohatra teratany malagasy tsaraina any Maorisy, misy koa teratany Maorisianina tsaraina eto Madagasikara. Ohatra ny raharaha famoahana volamena avy eto. Misy koa ny hoe mandalo fotsiny ao. Ny famerenana an’ireny harem-pirenena ireny eto amintsika, ny sambo mijanona eo anelanelan’ny fari-dranomasina iraisana : dinikasa no natao androany momba ireny. Tandrovana ny fiandrianam-pirenena sy ny lalàna manan-kery misy amin’ny firenena tsirairay avy » hoy ny Mpitahiry Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.

HITOHY NY FIARAHA-MIASA SY NY FANAMPIANA

Ho an’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) eto Madagasikara kosa indray, dia tafiditra indrindra ao anaty fanamafisana sy fanatsarana ny efa nisy.

« Raha izay tomban’ezaka vita nandritra izay 11 volana naha-teto ny tena izay dia nanampy betsaka tokoa ny PNUD. Niompana indrindra amin’ny programan’ny Firenena Mikambana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asam-pitsarana na eo anivon’ny fandraharahana ny fonja, na eo anivon’ny fampandehanan-draharaham-pitsarana amin’ny ankapobeny. Fiaraha-miasa, fifanentanana, ; fivoriana, fikarakarana , famporisihina amin’ny fanomezana fitaovana izay ilaina, ny ho an’ny fonja ohatra farany teo ny ady amin’ny Covid-19, fanomezana fanampiana, fitaovana, fanafody, fampandehanan-draharaha, fanara-hamaso, fikojakojana, sns. Tena nanampy betsaka tokoa ny PNUD ary naneho ny fahavononany ny mbola hanao misimisy kokoa » hoy ny Mpitahiry Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.