Fanatsarana ny asam-pitsarana

SEHATRASA 3 HO AN’NY FITSARANA NO TOHANAN’NY AFD

Nanatontosa fitsidihana ho mariky ny fanajana ny Mpitahiry Fitombonkasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana ny delegasiona avy amin’ny AFD (Agence Française de Développement) notarihin’ny Masoivoho Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Christophe Bouchard. Nampahafantatra ny tompon’andraikitra voalohany vaovao eo anivon’ny AFD, Atoa Yves Guicquero, izao vao tonga 2 volana latsaka kely ary hiasa eto amintsika.
Nanamafy ny fahavononany ny hanohana hatrany ny fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara ny AFD, indrindra amin’ilay fiaraha-miasa ao anatin’ny PAJMA, na tetikasa fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara, izay ny AFD no mandrindra azy.
Araka ny fanazavana nomen’ny Sekretera Jeneralin’ny (SG) Ministeran’ny Fitsarana, Atoa Imbiki Herilaza, dia tafiditra anaty ny Velirano nataon’Atoa Filoham-pirenena Malagasy sy ny Vina entin’Atoa Mpitahiry Fitombonkasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana izay navadika ho fandaharan’asa hiarahana amin’ny AFD sy ny PAJMA izao.
Tamin’ny volana jiona 2020 moa dia nisy fanaovan-tsonia famatsiam-bola mitentina 5 tapitrisa Euros teo amin’ny Fitondrana Malagasy sy ny AFD.
Sehatrasa 3 no misitraka ny fanohanana araka ny nambaran’ny Atoa SG ihany, dia:
Ny fandraharahana ny raharaham-pitsarana (mpitsara, lehiben’ny firaketan-draharaha, ireo mpiraki-draharaha) mba ho fitsarana mendrika sy hitokisan’ny vahoaka Malagasy, fanatsarana ny fomba fiasa, misy ny atrikasa fiofanana samihafa, ny fanodinana faran’izay haingana ny raharaham-pitsarana, indrindra ny famerenana ny fitokisana amin’ny alalan’ny famoahana didim-pitsarana manaraka ny lalàna velona eto Madagasikara,
Ny fandraharahana ny fonja: misy ny fanavaozana atao koa, amin’ny alalan’ny fametrahana ireo tompon’andraikitra mendrika izay hitantana amin’ny fomba mangarahara, nanomboka tamin’ny fametrahana ireo Talem-paritra, ny fanatsarana ny fomba fiasa izay tokony hipaka mivantana amin’ny vahoaka Malagasy,
Fampitovian-danja ny politika ankapobeny an’ny Fitondram-panjakana Malagasy eo amin’ny asa aman’andraikitra atao eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana, ohatra ny atrikasa fiofanana amin’ny fampitovizana ny fomba fanoratana ny tatitra sy ny didim-pitsarana natao eo anivon’ny Fitsarana Ambony rehetra eto Madagasikara izay ny Fitsarana an-Tampony no mampanao azy, eo koa ny fanomanana ny fifaninana hidirana ao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Fandraharahana ny Fonja (ENAP) sy ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG).