Fampahafantarana

FAMETRAHANA NY RANTSAM-PITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA-LAHY NA MAHA-VAVY SY NY POLITIKA FAMAIZANA  ANKAPOBENY AMIN’IZANY

Ny fanjakana malagasy dia nametraka ho vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha- lahy na maha-vavy, mba entina hamongorana ny tsy maty manota sy hisorohana ny firongatr’izany herisetra izany ary hanomezana ny fiarovana ara-tsosialy sahaza ireo niharam-boina. Napetraka araka izany ny Paikadim- pirenena entina miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha- lahy na maha-vavy 2017-2021.
Mba hiatrehana ny toe-java-misy ankehitriny dia nandrafitra lalàna manokanany fanjakana hanamafisana ny ady atao amin’izany herisetra izany, dia ny lalàna laharana faha- 2019-008 mikasika ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, izany navoaka hanan-kery ny 16 Janoary 2020.
Ho fampahatsiahivana, « ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy » dia milaza ireo herisetra rehetra ampiharina amin’ny olona iray noho ny maha-lahy na maha-vavy azy, ary mitarika na mety hitarika fahavoazana na fijaliana ara-batana, ara-pananahanana, ara-tsaina, na izany eo amin’ny lafim-piainany imasom-bahoaka na eo amin’ny lafim-piainany manokana.
Ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy dia mahakasika avokoa ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizilahy sy ankizivavy fa ny ankamaroan’ny tranga dia ny vehivavy sy ny ankizivavy no tena iharan’izany noho izy ireo marefo. Ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy dia matetika tsy heno anefa dia iainan’ny vehivavy sy ny ankizivavy malagasy andavanandro. Ireo herisetra ireo dia tsy ahafahan’ny niharam-boina misitraka ny zo maha-olona sy ny fahafahanafototra ary miteraka voka-dratsygoavana amin’ny fivelarana amin’ny maha-olona sy ny hoaviny. Araka ny fanadihadiana natao ho fanarahamaso ny fanatanterahana ny Tanjon’ny taona arivo fahatelo ho amin’ny fampandrosoana dia telopolo isan-jaton’ny vehivavy malagasy dia nilaza fa efa niharan’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy.

Ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy dia miseho amin’ny endriny maro, anisan’izany ny herisetra ara-batana (famonoana ho faty, ny vono sy ratra niniana natao ao anatin’ny fiombonam-piainana,…), ny herisetra ara-tsaina (fandrahonana, fanalam-baraka ampahibemaso, fanivaivana mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy,…), ny herisetra ara-pananahana (fanamombana an-keriny, fanolanana, fifoterana, ny fanerena olona hivarotena, fikatsahana firaisana ara-nofo, faneràna olona hivarotan-tena,…), ny herisetra ara-pihariana (fandaozana andraikitra ara-pianakaviana, fanakanana ny fisitrahana ny zo mifandraika amin’ny fihariana ara-bola,…).Ireo herisetra efa fantatry ny besinimaro dia efa voalaza sy sazian’ny fehezan-dalàna famaizana fa ny lalàna vaovao laharana faha- 2019-008 dia nampiditra endrika fandikan-dalàna vaovao.
Mba hanamafisana kokoa ny fanenjehana sy ny fanasaziana ireo heloka voalaza eo ambony ireo, dia apetraka ny rantsam-pitsarana misahana ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, antsoina hoe «Chaîne Pénale Anti-Violences Basées sur le Genre na CPA-VBG ». Ny fametrahana izany rantsam-pitsarana izany dia mariky ny fahavononan’ny Governemanta, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana, hiady mahomby amin’io herisetra izay sokajiana ho loza ho an’ny firenena io. Ankoatra izany dia mba ahafahana manana sy manangona ireo antontan’isa entina manao jery todika ny ezaka vitan’ny Fitsarana ady heloka amin’io ady io.
Ity teny midina ity dia maneho ny firafitry ny CPA-VBG, mametra ireo andraikiny sy ny fomba fandaminana ary ny fomba fiasany.
A. Ny Firafitry ny CPA-VBG
Ny CPA-VBG dia ahitana ireo mpisehatra rehetra amin’ny isan’ambaratongan’ny Fitsarana ady heloka, manomboka amin’ny fanenjehana ka hatramin’ny fampiharana ny sazy. Alefa miasa amin’io rantsam-pitsarana io:
– ireo Mpitsara ambony mpampanoa na Mpisolo mpampanoa ambonyamin’ny Fitsarana Fandravana,
– ireo Filohan’nyrantsam-pitsaranasy Mpanolotsaina amin’ny Fitsarana Fandravana,
– ireo Mpitsara ambony mpampanoa na Mpisolo mpampanoaambony amin’ny Fitsarana Ambony,
– ireo Filohan’ny rantsam-pitsarana sy Mpanolotsaina amin’ny Fitsarana Ambony,
– ireo Mpisolo mpampanoa amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany,
– ireo Mpitsara mpanao famotorana,
– ireo Mpitsara ny zaza tsy ampy taona,
– ireo Mpitsara mpamoaka didy amin’ny ady heloka,
– ireo mpitan-tsoratry ny fampanoavana sy ny mpiraki-draharaha.
Ny isan’ireo mpiantsehatra alefa miasa ao amin’ny CPA -VBG isan’ambaratongany dia noferana araky ny fitsinjarana toy izao :
– Mpitsara mpampanoa ambony sy mpamoaka didy eo anivon’ny Fitsarana Fandravana 13,
– Mpitsara ambony mpampanoa na Mpisolo mpampanoa ambony5 syFilohan’ny rantsam-pitsarana na Mpanolotsaina amin’ny Fitsarana Ambony 5 ho an’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo,
– Mpitsara ambony mpampanoa na Mpisolo mpampanoa ambony 2 syFilohan’ny rantsam-pitsarana na Mpanolotsaina amin’ny Fitsarana Ambony 3 ho an’ny Fitsarana Ambony dimy hafa,
– Mpisolo mpampanoa amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany 4, Mpitsara mpanao famotorana 2, Mpitsara ny zaza tsy ampy taona 1 sy Mpitsara mpamoaka didy amin’ny ady heloka 5, ho an’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo,
– Mpisolo mpampanoa amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany 1, Mpitsara mpanao famotorana iray, Mpitsara ny zaza tsy ampy taona 1 sy Mpitsara mpamoaka didy amin’ny ady heloka 1, ho an’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany hafa.

B- Ny amin’ny fomba fanendrena ireo mpiantsehatra

Ireo Mpitsara miasa eo anivon’ny CPA-VBG dia tendren’ny Lehiben’ny Fitsarana isan-tokony, araka ny fandaminana anatiny, eo anivon’ny Fitsarana tsirairay.

 

D- Ny fandaminana sy fomba fiasa

Ny CPA-VBG dia miandraikitra ny fanenjehana, ny famotorana sy ny fitsarana ny heloka voalazan’ny lalàna famaizana manan-kery sy ireo voalazan’ny lalàna vaovao mikasika ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy.

Noho ny antony fandaminana, ireo raharaha mikasika ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy mbola andalam-pitsarana dia ampitaina amin’ny CPA-VBG. Ireo raharaha ady heloka bevava dia alefa hotsaraina  amin’ny fotoam-pitsaran’ny Fitsarana ady heloka bevava, tarihin’ny Filohan’ny rantsam-pitsarana na ny Mpanolotsaina amin’ny Fitsarana Ambony, mpikambana amin’ny CPA-VBG.

Ny CPA-VBG dia tarihin’ny Filohan’ny Fitsarana isan’ambaratongany, manomboka amin’ny ambaratonga voalohany ka hatrany amin’ny fandravana.

Ireo mpiantsehatra, mpikambana ao amin’ny CPA-VBG dia manohy manatanteraka ny andraikiny andavanandro.

Mpitsara iray isaky ny Fitsarana dia tendrena ho tomponandraikitra ifotony misahana ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Izy dia miandraikitra ny fanangonana ireo antontan’isa mahakasika ny raharaha VBG sy miantoka ny fampitam-baovao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

E- Ny politikam-pamaizana ankapobeny amin’ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy

Ny andininy faha-158 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka dia mamaritra ny andraikitry ny Mpampanoa lalàna amin’ny fikarohana sy fanenjehana ny fandikan-dalàna. Ny mpikambana amin’ny fampanoavana dia voafehin’ny fankatoavana ny baikon’antanantohatra. Izy ireo dia manana ny sampan- draharaham-pikarohana ny fandikan-dalàna ao anatin’ny fanatanterahana ny andraikiny.

Mba ahafahana mahomby amin’ny fanatanterahana ny andraikitra amin’ny fikarohana sy ny fanenjehana ny fandikan-dalàna, ny Mpitsara ao amin’ny fampanoavana voatendry ho mpikambana ao amin’ny CPA-VBG dia mandrindra ireo asan’ireo mpiasa mpikaroka ny fandikan-dalàna, izany dia tsy manala ny fanaovana tatitra amin’ny Tonia Mpampanoa lalàna sy ny Tonia Mpampanoa lalàna ambony amin’ny Fitsarana Ambony.

Ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Fampanoavana, dia tsy maintsy manamafy ny fanenjehana ny fandikan-dalàna mikasika ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, mba ahafahana manova ny fihevitry ny sarambambem-bahoaka fa tsy maty manota ny mpandika lalàna sy ireo mpiray heloka ary mpiray tsikombakomba amin’ny fanaovana ireo heloka mamoetra ireo.

Araka izany dia ampirisihina mafy ny Mpitsara ao amin’ny Fampanovana mba:

  • hanisy tohiny ny fitoriana sy ny fitorohana ny tranga herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, raha toa ka misy antony ahafahana milaza fa tena nisy ny tranga, na dia misintona ny fitoriany aza ny niharam-boina,
  • hampiditra am-ponja vonjimaika na hitaky ny fampidirana am-ponja vonjimaika ireo olona ampakarina eo anoloan’ny Fampanoavana noho ireo heloka ireo, raha toa ka feno ny vesatra anenjehana azy,
  • hanao fanohanana amin’ny fangatahana fahafahana vonjimaika raha toa ka mitombina ny toe-draharaha,
  • hitaky sazy mihatra sy hentitra mandritra ny fotoam-pitsarana raha toa ka mitombina ny toe-draharaha,
  • hanao fampakarana amin’ny didy nivoaka mifanohitra amin’ny taky izay nataony.

Mitazona rejistra manokana avy ny eo anivon’ny fampanoavana, ny famotorana sy ny famoahana didy, na ny eo anivon’ny ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana Ambony izany, na ny eo anivon’ny Fitsarana Fandravana.

Ny CPA-VBG, amin’ny alalan’ny tompon’andraikitra ifotony VBG dia tsy maintsy mandefa isam-bolana, amin’ny Fitaleavan’ny Fitantanana ny Fitsarana ireo antontan’isa mikasika ireo raharaha herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy vita fanadihadiana sy voatsara teo anivon’ny mpamoaka didy, ny mpanao famotorona ary ny fampanoavana.

Mise en place de la Chaine Pénale Anti-Violences Basées sur le Genre et politique pénale en matière de lutte contre les Violences Basées sur le Genre

Récemment, l’Etat malagasy a fait une priorité la lutte contre les Violences Basées sur le Genre dans le but de faire cesser l’impunité, de prévenir la recrudescence de ce phénomène ainsi que d’offrir une protection sociale appropriée aux victimes. La Stratégie Nationale de lutte contre les Violences Basées sur le Genre 2017-2021 a été déjà adoptée.
En vue de faire face à la situation actuelle déjà alarmante, l’Etat s’est attelé à concevoir un cadre juridique propre et renforcé, en l’occurrence la loi n°2019-008 relative à la lutte contre les Violences Basées sur le Genre promulguée le 16 janvier 2020.
A titre de rappel, les Violences Basées sur le Genre désignent tout acte de violence dirigé contre une personne en raison de son sexe, et causant ou pouvant causer un préjudice ou des souffrances physiques, sexuelles ou psychologiques que ce soit dans la vie publique ou dans la vie privée.
Les Violences Basées sur le Genre visent à la fois les hommes, les femmes, les jeunes garçons et les jeunes filles. Mais dans la majorité des cas, ce sont les femmes et les jeunes filles qui sont les plus visées du fait de leur vulnérabilité. Les Violences Basées sur le Genre, souvent passées sous silence, font partie du quotidien des femmes et jeunes filles malagasy. Elles privent les victimes des droits de la personne humaine ainsi que des libertés fondamentales et impactent gravement sur leur bien-être et leur avenir. 30 % des femmes malagasy ont déclaré avoir subi des Violences Basées sur le Genre d’après l’Enquête de Suivi de la mise en œuvre des Objectifs du Millénaire pour le Développement, réalisée en 2012/2013.
Les Violences Basées sur le Genre prennent différentes formes, notamment les violences physiques (meurtre, coups et blessures volontaires au sein du couple, … ), psychologiques (menaces, diffamation, outrage sexiste … ), sexuelles (stérilisation forcée, viol, inceste, prostitution forcée, harcèlement sexuel, proxénétisme … ) et économiques (abandon pécuniaire de la famille, privation de droit d’accès à des activités économiques, … ). Celles les plus connues sont déjà prévues et punies par le Code pénal mais la nouvelle loi n°2019-008 introduit de nouvelles formes d’infractions.
Afin de renforcer d’avantage la poursuite et de la répression des infractions sus-visées, il est institué une Chaine Pénale Anti-Violences Basées sur le Genre, en abrégé CPA-VBG. La mise en place de cette Chaine marque la détermination du Gouvernement, à travers le Ministère de la Justice, de mener la lutte contre ce fléau national de manière plus efficace. En outre, elle permettra la quantification et la centralisation des données destinées à évaluer la performance de la Justice pénale dans cette lutte.
La présente circulaire a pour objet de présenter la composition de la CPA-VBG et de fixer ses attributions ainsi que ses modalités d’organisation et de fonctionnement.

A. La composition de la CPA-VBG

La CPA-VBG est composée des acteurs issus des instances de la Justice pénale depuis la poursuite jusqu’à l’exécution des peines. Sont mis à la disposition de la Chaîne :
– des Avocats généraux ou Substituts généraux de la Cour de Cassation,
– des Présidents de Chambre et Conseillers de la Cour de Cassation,
– des Avocats généraux ou Substituts généraux de la Cour d’Appel,
– des Présidents de Chambre et Conseillers de la Cour d’Appel,
– des Substituts du Procureur de la République,
– des Juges d’instruction,
– des Juges des enfants,
– des Juges correctionnels,
– des secrétaires de parquet et des greffiers.
Le nombre des acteurs affectés à la CPA-VBG au niveau de chaque instance est fixé suivant la répartition ci-après :
– 13 Magistrats du parquet général et du siège au niveau de la Cour de Cassation,
– 5 Avocats généraux ou Substituts généraux et 5 Présidents de Chambre ou Conseillers de la Cour d’Appel au niveau de la Cour d’Appel d’Antananarivo,
– 2 Avocats généraux ou Substituts généraux et 3 Présidents de Chambre ou Conseillers de la Cour d’Appel au niveau de chacune des 5 autres Cours d’Appel,
– 4 Substituts, 2 Juges d’instruction, 1 Juge des enfants et 5 Juges correctionnels au niveau du Tribunal de Première Instance d’Antananarivo,
– un Substitut, un Juge d’instruction, 1 Juge des enfants et un Juge correctionnel au niveau de chacun des autres Tribunaux de Première Instance.

B. Les modalités de nomination des acteurs

Les Magistrats siégeant au sein de la CPA-VBG sont désignés par les Chefs de juridictions respectifs suivant l’organisation interne de chaque juridiction.

C. Organisation et fonctionnement

La CPA-VBG est chargée de la poursuite, de l’instruction et du jugement des infractions prévues par la législation pénale en vigueur ainsi que celles prévues par la nouvelle loi sur la lutte contre les Violences Basées sur le Genre.
Pour des raisons organisationnelles, les affaires de VBG en cours sont renvoyées par devant la CPA-VBG. Les affaires criminelles sont enrôlées à la session de la Cour Criminelle présidée par un Président de Chambre ou un Conseiller de la Cour d’Appel membre de la CPA-VBG.
La CPA-VBG est placée sous la direction et la coordination des Chefs de juridictions et ce, à tous les niveaux depuis la première instance jusqu’en cassation.
Tous les acteurs membres de la CPA-VBG continuent d’assurer leurs attributions habituelles.
Un magistrat est désigné au niveau de chaque juridiction pour servir de point focal VBG. Il est notamment chargé de recueillir les données statistiques relatives aux affaires de VBG et d’assurer la fluidité de la communication avec la Chancellerie.

D. La politique pénale en matière de lutte contre les Violences Basées sur le Genre

L’article 158 du Code de procédure pénale définit la mission du Procureur de la République comme étant la recherche et la poursuite des infractions. Les membres du Ministère public sont soumis au principe de la subordination hiérarchique. Ils disposent de la police judiciaire dans l’exercice de leurs fonctions.
Pour pouvoir accomplir efficacement leur mission de recherche et de poursuite des infractions, les Magistrats du parquet désignés membres de la CPA-VBG coordonnent les activités des officiers et agents de la police judiciaire, sans préjudice de l’obligation de rendre compte au Procureur de la République et au Procureur Général de la Cour d’Appel.
L’Etat, à travers le Ministère public doit adresser un message fort dans la poursuite de ces infractions de Violences Basées sur le Genre afin de changer la perception de l’opinion publique quant à l’impunité des auteurs, co-auteurs et complices de ces actes odieux.
Ainsi, il est fortement recommandé à tout Magistrat du Ministère public de:
– donner suite aux plaintes et dénonciations d’un acte de Violence Basée sur le Genre dès lors qu’il existe des motifs raisonnables laissant croire que l’acte a été commis et ce, même si la victime a retiré sa plainte;
– placer sous mandat de dépôt ou requérir le placement sous mandat de dépôt de toute personne déférée au parquet pour ces infractions, en cas de charges suffisantes;
– s’opposer à toute demande de mise en liberté provisoire si les faits paraissent établis;
– requérir à l’audience des peines fermes et sévères chaque fois que les faits sont établis;
– interjeter appel contre les décisions non conformes à ses réquisitions.
Un registre spécial est tenu au niveau du parquet, de l’instruction et du siège tant en première instance, en appel qu’en cassation.
La CPA-VBG, par le biais du point focal VBG, est tenue de communiquer à la Direction de l’Administration des Juridictions, tous les mois, les données statistiques relatives aux affaires de Violences Basées sur le Genre traitées au niveau du siège, de l’instruction et du parquet.