Tontolon’ny fitsarana

‟Efa mandeha ny fanovana″ hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana
 Tapitra ny amehana ara-pahasalamana. Noho izany dia misy ny lamina vaovao hanafainganana ireo raharaham-pitsarana rehetra. Mahakasika ny tontolon’ny fitsarana manontolo, dia efa mandeha koa ny fanovana. Ohatra amin’izany ny famindran-toerana Mpitsara. Nivoitra ireo tamin’ny fanontanian’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.

Aiza ho aiza ny raharaha mahakasika ny fitarainana sy fitsarana an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy eny anivon’ny PAC?

‟Ny PAC no miandraikitra ny raharaha fa tsy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana. Mandrindra fotsiny ny asam-panjakana ny Minisitra fa ny raharaham-pitsarana dia an’ireo sampana isan-karazany. Isika izao vao nivoaka ny fihibohana sy ny amehana ara-pahasalamana. Izao daholo vao mandamina ny CCO izay misahana ireny raharaha ady heloka bevava ireny. Ny baiko nomena dia ny hanafainganana ny raharaha rehetra eny amin’ny CCO, mba hampihena ireo olona any am-ponja raha mbola tsy voatsara”

Aiza ho aiza ny fitsarana ny raharaha Mbola Rajaonah sy ny raharaha Eddie Bois de rose?

“Ny raharaha Mbola Rajaonah dia mbola ny CCO ihany koa no miandraikitra an’izay. Tsy voatery ho fantatry ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy Minisitry ny Fitsarana daholo hoe rahoviana no handalo ny raharaha iray. Tahaka izay ihany koa ny raharaha Eddie Bois de rose. Nahazo fahafahana vonjimaika izy teo. Nanao fampiakarana ny tompon’andraikitra ka nodinihina tamin’ny fivoriambe an’ny Fitsarana an-tampony  ny fangatahana fandravana ilay didy. Nivoaka ny didy fandravana ilay didy navoakan’ny Mpitsara mpamoaka didy. Hatreo aloha izao. Rehefa izay no mitranga dia miverina any amin’ny Cour d’Appel indray izany ny raharaha averina ho tsaraina, satria izay no tapaky ny Cour de Cassation. Mpitsara hafa indray no hitsara ny raharaha. Hatreto dia miandry ny enrôlement na ilay fampiantsoana fitsarana ataon’ny Cour d’Appel isika”

 Misy fitarainana foana mahakasika Mpitsara indrindra any Toamasina momba ny kolikoly. Ny hevitrao momba izay?

“Ny fitarainana avy amintsika vahoaka dia be dia be, tsy ny any Toamasina irery fa saika izahay Mpitsara iray manontolo dia mahazo fanakianana foana. Misy amin’izy ireny marina, ary misy amin’izy ireny koa no tsy marina. Matetika koa ny olona manakiana dia tsy mitondra porofo. Ka rehefa tsisy ny porofo, tsy afaka ny hanenjika olona tsy misy porofo. Ny azo lazaina amin’ny tontolon’ny fadraharahana ny Fitsarana efa manao famindran-toerana sy fanodinana ireo Mpitsara izao, mba hisian’ny endrika vaovao sy fitantanana vaovao mba hamerenana ny fahatokisan’ny olona”