Fanajariana lalàna eny amin’ny kaominina

NY FIZARAM-PANANANA SY NY ADY TANY NO NAHALIANA NY MARO

Ny Kaominina Ambanivohitra Tsiafahy no nanohizana omaly ny hetsika fampahafantarana sy fanajariana lalàna, izay karakarain’ny Fitaleavana misahana ny fandinihana sy fanavaozana ny lalàna (DERL) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Ministera momba ny « Fitsarana manakaiky vahoaka sy mora atonina », izay tohanan’ny PAJMA. Nahaliana sy nahafa-po ny vahoaka tonga maro ny fampahafantarana natao izay narahina fanontaniana sy fanomezam-baliny. Tsapa teo fa ny lalàna sy ny pitsopitsony momba ny fizaram-pananana eo amin’ny mpivady, ny lalàna mifehy ny fanambadiana, ny lalàna mikasika ny fisaraham-panambadiana no be mpanontany. Tsy latsa-danja ihany koa ny momba ny ady tany. Teo ihany koa ny fandovana, ny paikady heloka sy ny paikady ara-pitsarana.
Marihina fa tanjona ny hampahafantarana ny lalàna manan-kery sy ireo lalàna vaovao, ny hanapariahana izany amin’ny sehatra isan-tsokajiny, ny anaovana fampielezana eny ifotony ny andinin-dalàna sy ny paikady ara-pitsarana ary ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ho fampahafantarana ny lalàna.
Hitohy hatrany moa izao fidinana ifotony tanterahin’ny DERL eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana izao. Ireto avy ireo Kaominina haleha manaraka: Ambatofotsy, Ambatomanga, Ankazobe, Moramanga, Vatomandry, Mahanoro ary Fénérive-Est.