Fanavaozan-dalàna

Dinika momba ny bokintany sy sarintany rovitra

 

 

 

 

 

 

Niatrika fivoriana androany tao amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana ety Faravohitra ny Vaomiera ho an’ny fanavaozana ny lalànan’ny fandraharahana (CRDA). Nitarika izany ny Tale Jeneralin’ny Raharaham-pitsarana ny Fandinihana ary ny Fanavaozana (DGAJER) Rtoa Salohy Norotiana Randrianarisoa.

Nifantohan’ireo mpikambana sy mpandray anjara nandritra ny fivoriana ny fandinihana amin’ny antsipirihany ny Volavola rijan-tenin-dalàna mikasika ny famerenana amin’ny laoniny ny bokintany rovitra sy sarintany rovitra (avant projet de loi relative à la reconstitution des documents fonciers et topographiques inexploitables). Mbola hisy moa ny fihaonana manaraka ho tontonsaina eo anivon’ny CRDA momba ny lahadinika androany.