Sekolim-pirenena ho an’ny Mpandraharahan’ny fonja (ENAP)

« Efa vonona ny fanomanana ny fifaninanana ho fidirana manaraka » hoy ny Tale Razafintsalama
Désiré

Mivoatra ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpandraharahan’ny fonja (ENAP). Raha 200 teo aloha no mpianatra afaka noraisina, ankehitriny dia afaka mandray mpianatra eo amin’ny 600 ka hatramin’ny 700 ny sekoly. Efa vonona avokoa ny fanomanana rehetra amin’ny fifaninana ho fidirana ho an’ny andiany manaraka. Raha ny vina sy faniriana dia tokony ho tontonsa mialoha ny faran’ny volana novambra 2020 ny fifaninana. Fanamby voalohany ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fifaninanana.
Nandrita izay 4 taona nitarihany ny sekoly izay, dia tsy nikely soroka izy nitondra hatrany fanavaozana. Misongadina ireo ato anatin’ity tafatafa niarahana tamin’ny Talen’ny ENAP, ny Inspecteur d’Administration Pénitentiaire en Chef 2ème échelon Razafintsalama Désiré.

Manatontosa fitsidihana fonja maromaro ianao, inona no antony?
“Ny ENAP no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiofanana mitohy sy fiofanana fototra ho an’ny fandraharana ny fonja, noho izany dia fanao ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tsirairay toy ny fampianarana eo amin’ny fitandroana ny filaminana any am-ponja, ny fibaikoana sy ny fitantanana, ny etika sy ny deontolojia. Hatreto dia ny fonjan’Antirabe, Ambatolampy ary ny tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny fandraharahana ny fonja (DRAP) Vakinankaratra no nampanaovina ny fiofanana”.

Momba izay indrindra, manao ahoana ny politikam-pampianarana ao amin’ny ENAP?
“Vokatry ny fiaraha-miasa sy fanohanan’ny tetikasa PAJMA dia miompana amin’ny fanavaozana ireo singam-piofanana ny fampianarana. Tanjona ny fanamafisana ny fiofanana matihanina. Fanavaozana ifotony miompana amin’ny fampanaraham-penitra ireo singa rehetra amin’ny fiofanana fototra mba hifanaraka amin’ny toetrandro. Noho izany dia hisy ny fandraisana mpampiofana raikitra miisa 5.
Kandida 23 hatreto no nandefa ny antotan-taratasiny. Hatao tsy ho ela ny fisafidianana ireo 5 ho voatazona. Efa tokony natao saingy nahemotra noho ity amehana ara-pahasalamana ity.Taloha mantsy dia tsy nanana mpampiofana raikitra mihitsy ny ENAP. Farany ary tsy kely indrindra ny fanomanana sy fikarakarakana ny fifaninanana hiditra ho mpianatra eto amin’ny ENAP”.


Inona avy ny vina entinao?
“Raha vao nandray ny toerana ny tenako tamin’ny volana desambra 2016, dia natao voalohany ny fijerena ifotony ny olana mba hitadiavana ny vahaolana. Momba ny fiofanana omen’ny sekoly dia tarigetrako ny hanatsara sy haha-matihanina izany. Hampanaraka ny fiofanana amin’ny fenitra takiana iraisam-pirenena momba ny fandraharahana ny fonja. Laharam-pahamehana ihany koa ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny fifaninanana hiditra ho mpianatra eto amin’ny ENAP. Marihina fa nahavita fotodrafitrasa vaovao sy asa fanitarana koa izahay eto amin’ny sekoly: ohatra ny fanampiana efitrano fianarana, ny efitrano fatoriana, ny birao sy toeram-piofanana isan-tsokajiny.
Raha 200 monja no mpianatra afaka noraisina teto tamin’ny fotoana nandraisako ny andraikitra maha-talen’ny sekoly ahy, ankehitriny ny ENAP dia afaka mandray mpianatra 600 ka hatramin’ny 700 vokatr’ireo fotodrafitrasa vaovao sy asa fanitarana ireo”.

Andrandrain’ny besinimaro fatratra ny fifaninanana manaraka ho fidirana eto amin’ny ENAP. Aiza ho aiza ny momba an’izay?
“Efa vonona ny hitsivolana mametraka ny fifaninanana saingy noho ity amehana ara-pahasalamana ity sy ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 dia naato aloha ny fifaninanana. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa PAJMA dia efa vonona avokoa ny fampitaovana rehetra. Efa vononatanteraka ny fanomanana sy ny fikarakarana. Ny firariana dia ny hivahan’ity amehana ara-pahasalamana ity ka antenaina ny hahafahana manatontonsa ny fifaninanana mialoha ny faran’ny volana novambra 2020”.

Manamboninahitra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ianao fahiny. Inona no mety ho tombony azonao entina ho an’ny fahdraharahana ny fonja amin’izay?
“Misy dia misy tokoa. Raha vao vantany mivaha ny amehana ara-pahasalamana dia hisy ny fiaraha-miasa mikasika ny fiahiana ny fandriam-pahalemana sy ny fiofanana hiarahan’ny zandarimariam-pirenena, ny tafika Malagasy ary ny fandraharahana ny fonja. Efa nisy fihaonako tsy ofisialy akory,tamina tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tanjona ny haha-ofisialy nyfiaraha-miasa sy ny fanaovan-tsonia izany”.