Fitsidihan’ny Masoivoho Indiana

An-dalam-panatanterahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitsarana Malagasy sy Indiana

Mahavelom-bolo ny fifandraisana misy eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Repoblikan’i Inde. Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra maro, anisany ny lafiny Fitsarana. Nivoitra ireo androany atoandro tety Faravohitra, nandritra ny fitsidihana nataon’ny Masoivoho Indiana miasa sy monina eto amintsika, Atoa Abhay Kumar, tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.

Araka ny fanazavana dia efa an-dalam-panatanterahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitsarana Malagasy sy Indiana. Anaty fandinihana lalina ny roa tonta ankehitriny. Raha vao vita io dia hatao ampahibemaso sy amin’ny fomba ofisialy ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ho fantatry ny besinimaro. Marihina fa mbola tsy nisy io fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny Fitsarana io hatreto.
« Mahafaly ny fifandraisana misy eo amin’ny firenena roa tonta hatramin’izao. Hatsaraina kokoa izany. Anton-diany androany ihany koa moa ny fangatahana am-panajana fiaraha-miasa ho an’ireo teratany Indiana izay voatazona eto noho ny valanaretina Covid. Miangavy ry zareo ny mba hahafahan’ireo voatazona ireo mifanerasera amin’ny fianakaviany hisian’ny fifanakalozana. Ilay fifanarahana eo amin’ny lafiny Fitsarana eo amin’ny firenena roa tonta moa dia hiompana amin’ny hoe, raha misy teratany Malagasy iharam-boina any Inde, na raha misy teratany Indiana iharam-boina eto Madagasikara dia mba hisy ny fahafahana mampihatra ny fifanarahana na any na eto » hoy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.
Ankilany dia nambaran’ny Masoivohon’ny Repoblikan’ny Inde, Atoa Atoa Abhay Kumar fa vonona tanteraka ry zareo hanampy ny fanjakana Malagasy, ka anisany ny Ministeran’ny Fitsarana. « Maro ny sehatra iriana hiaraha-miasa. Tanjona ny fanamafisana orina ny fihavanana sy ny fampandrosoana iarahana. Ohatra ny lafiny fampianarana, ny teknolojia vaovao, ny fahasalamana, ny fandriam-pahalemana, ny fizahan-tany. Ny anton-dia androany moa dia ny Fitsarana. Eo ihany koa ny fifampizarana traikefa eo amin’ny Fitsarana Malagasy sy ny Fitsarana Indiana. Lahadinika ny fomba hanatanterahana sy hahamasaka izany » araka ny fanazavany.