Fanatsarana ny asam-pitsarana

« Adidin’ny vahoaka ny manampy amin’ny ady amin’ny kolikoly » hoy ny Minisitry ny Fitsarana

Lohahevitra roa no nanontanian’ny mpanao gazety ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo tao aorian’ny fanokafana ny atrikasa atrehin’ny Mpiraki-draharaha etsy amin’ny ENMG Tsaralalàna nanomboka androany maraina.

Voalohany ny tomban’ezaka nandritra izay 8 volana naha-Minisitra azy izay.
« Tsy afaka ny hiteny aho inona ny dingana, fa hitanareo ny ezaka natao sy mbola tohizana. Niezaka izahay manao ny famerenana amin’ny laoniny ny fitondrana ny asa sy ny fanatanterahana azy, mba hitan’ny olona ihany kosa angamba ny vokatra azo sy ny dingana efa natomboka sy mbola atao amin’ny famerenana ny hasin’ny Fitsarana Malagasy sy ny fitokisann’ny vahoaka. Manao zavatra tsy mora, fa adidy nekena koa tsy maintsy atao sy tratrarina ny tanjona. Mafy ny zava-nitranga tanaty izay 8 volana izay. Ireny ohatra ny lositra tany am-ponja, ireny ny raharaha mafana sy goavana maro, miezaka izahay amin’ny fomba fitantanana madio ary manentana ireo mpiara-miasa rehetra tsy anavahana momba izany. Antso avo no atao amin’ny vahoaka. Izahay efa miezaka, manao, fa ny rehetra koa mila manana fitondran-tena mendrika, sy tsara, mba hiady amin’ny kolikoly satria matetika dia avy any amin’ny vahoaka izay manan-draharaha ihany no fiandohan’izany. Adidin’ny tsirairay no manampy amin’ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Fitsarana manontolo mba ho famerenana ny hasin’ny asam-pitsarana sy ny fahatokisan’ny vahoaka » hoy ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.
Sazy ho an’ireo mania
Fanontaniana faharoa ny mikasika ireo ondry mania eo anivon’ny Fitsarana Malagasy.
« Misy tokoa ny ondry mania, mety tsy fantatry ny besinimaro fa nisy ary mbola hisy ohatra ireo Mpitsara miakatra Filan-kevitra momba ny sazy na CODIS. Nisy efa nandalo, ary mbola misy ny ho avy ny sazy, na ho an’ny Mpitsara, na Mpiraki-draharaha na Mpandraharahan’ny fonja. Misy ohatra ny Mpitsara atao famotorana ankehitriny, misy ny enjehina araky ny lalàna, toy izany koa ny Mpiraki-draharaha nania. Misy Mpandraharahan’ny fonja migadra any Ambatolampy. Ohatra ihany koa ny fanenjehana ny Tale Jeneralin’ny CNAPS teo aloha, izay Mpitsara, na dia tsy tao anatin’ny asa maha-mpitsara azy ary no anenjehana azy. Tiako ny manamarika fa, tsy amin’ny alalan’ny fanenjehana ireny nania ireny irery kosa no fomba azo andrefesana ny hoe miasa sy firosoan’ny asa, fa amin’ny alalan’ny ezaka ankapobeny atao hanomezana ainga vaovao ny tontolon’ny asam-pitsarana manontolo eto Madagasikara » hoy ny Mpitahiry ny Fitombonkasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety.