Famerenana ny hasin’ny Fitsarana

MANARAKA FIOFANANA MOMBA NY SERASERA IREO MPIRAKI-DRAHARAHA

 

 

 

 

 

 

Milofo amin’ny asa fanatsarana ny tontolon’ny asam-pitsarana ny Ministera mpiahy. Anjaran’ireo Lehiben’ny Firaketan-draharaha sy ireo Mpiraki-draharaha ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky no manaraka fiofanana mandritra ny 12 andro. Atrikasa izay atao etsy amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy Mpiraki-draharaha etsy Tsaralalàna, manomboka androany 28 septambra 2020 ary tsy hifarana raha tsy ny 9 oktobra 2020. Lohahevitra ny « fifehezana ny fandraisana sy ny serasera ary ny fifandraisana anatiny mba ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa ».

Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa, dia nampahatsiahy ny tanjona ny Mpitahiry ny Fitombomkasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana, Atoa Johnny Richard Andriamahefarivo.
« Famerenana ny hasin’ny Fitsarana no antoka hamerina ny fitokisan’ny vahoaka. Manentana anareo tsirairay avy ny tenako, hifanome tanana, hanao ny marina, ny rariny sy ny hitsiny, ary tsy hanadino ny fitsikiana sy ny fahatsaran-toetra sy fanahy eo amin’ny fandraisana olona. Manomboka amin’ny Mpitsara, ny Mpiraki-draharaha, ny mpiasa rehetra eto anivon’ny Fitsarana manontolo. Tsy maintsy ho tratrarintsika ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Atoa Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Atoa Ntsay Christian » hoy izy nandritra ny lahateny fanokafana.
Miisa eo amin’ny 50 ireo Lehiben’ny Firaketan-draharaha sy ireo Mpiraki-draharaha ary ireo mpiara-miasa aminy akaiky, no manaraka izao atrikasa fiofanana andiany voalohany izao. Izy ireo dia samy avy etsy amin’ny Fitsarana sy Tribonaly Anosy avokoa, izay napetraka ho fitaratra ho an’ny asam-pitsarana eto Madagasikara. Ho avy tsy ho ela ny fiofanana ho an’ireo avy any amin’ny Faritany sy ny Faritra. Nanatrika ny fanokafana androany maraina moa, Rtoa Tale Jeneralin’ny raharaham-pitsarana sy ny fanavaozana ifotony, Atoa Tale Jeneralin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny Mpitsara sy Mpiraki-draharaha, Rtoa Talen’ny Firaketan-draharaham-pitsarana ary Atoa Talen’ny Fiofanana ho an’ny Mpiraki-draharaha.