Ady amin’ny Covid-19 any am-ponja

NANOME FANAMPIANA IREO VOAFONJA NY FONDATION AKBARALY

Tsy mikely soroka ny Ministeran’ny Fitsarana manohy hatrany ny ezaka fanatsarana amin’ny lafiny rehetra. Manoloana ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19 eny anivon’ny tontolon’ny fonja dia, tonga nitondra ny anjara biriky amin’ny fanampiana indray ny iray amin’ireo mpanohana ny Ministera. Kojakoja ilaina amin’ny andavanandro toy ny savony, sakafo (vary sy paty) ary fanafody no natolotry ny Fondation Akbaraly androany 18 septambra 2020 teto Faravohitra tamin’ny Talen’ny kabinetran’ny Ministeran’ny Fitsarana, Rtoa Raby Savatsarah Aina. Nanatitra ireo ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny Fondation Akbaraly, ny Dr Francesco Cimino.

Izao no natao dia mba ho fanampiana ireo voafonja, manoloana indrindra ny tsy fisian’ny fitsidihana ataon’ireo havana sy ireo mpikarakara noho ny amehana ara-pahasalamana sy ny ady amin’ny Covid-19. Tsy vao voalohany izao ny Fondation Akbaraly no nanome fanampiana ho an’ireo voafonja, avy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana.