ANTENIMIERAM-PIRENENA : NITATITRA NY ASA VITA SY ANDALAM-PAMITANA ARY NY VINA HO TANTERAHANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌 Notanterin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, teo anatrehan’ny Solombavambahoaka fa anatin’ny asa efa natomboka, ary mitohy hatramin’izao ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, niainga tamin’ny fampiharana ny lamin’asa vaovao, ho an’ny fitsarana ny ady tany, ary mitohy amin’ny fanenana ny isan’ny voafonja tsy voatsara sy fampakarana ny isan’ny voafonja voatsara, ka ny Fonjan’ Antanimora no nanaovana azy voalohany.

⭕️ Notanterin’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ihany koa ny fampiharana ny ady amin’ny kolikoly, tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny teknolojia arakajy mirindra, sy ny fifaneraserana mivantana amin’ny vahoaka, amin’ny alalan’ny Fiara Zo, izay iarahana miasa amin’ny PNUD. Ankoatr’izay dia noraketiny tamin’ny tatitra ny fanamafisana ny fambolena eny anivon’ny  » Camp Pénal », ahafahana manena ny fandaniam-bola amin’ny famatsiana ara-tsakafo ny voafonja.

➡️ Izany rehetra izany dia arahin’ny fanavaozana sy fanapariahana ny lalàna izay tokony ho fantatry ny vahoaka.
Nitarika ny fihaonana teto Tsimbazaza ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena avy amin’ny Faritanin’ Antananarivo.