FANANGANAN-TSAINA MIAVAKA NO NOTANTERAHANA TEO ANIVON’NY MINISTERAN’NY FITSARANA.SADY FOTOANA NAMINTINAN’NY MINISTRA NY ZAVA-BITA, NO FIARAHABANA NOHON’NY FETIN’NY RENY.

📌 Ny ampahany amin’ny asa tena nisongadina no nofintinin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, teo anatrehan’ny Mpiasa nanatrika ny fananganan-tsaina anio teto Faravohitra. Tao anatin’izany ny lamin’asa vaovao nampiharina amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, ny fanatanterahana ny Fitsarana manakaiky Vahoaka amin’ny alalan’ny Fiara Zo, ary ny Fitsarana tsy mitanila lavitry ny kolikoly, ary ny famelomana indray ny « Camp Pénal ».
Nambarany ihany koa ny asa miandry sy ny fomba fiasa entina amin’izany, manomboka amin’izao herinandro vaovao izao.

➡ Ankoatr’izay dia niarahaba ny Reny miasa eo anivon’ny Minisitera ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nohon’ny fahatratraran’izy ireo ny Fetin’ny Reny, izay nomarihana ny Alahady 4 Jona 2023. Izany rehetra izany dia narahin’ny fifanomezana mari-pahatsiarovana, ka ny Mpiara-miasa dia nanolotra ho an’ny Minisitra, ny Minisitra kosa dia nizara zava-mamy ho an’ny Mpiara-miasa.

⭐ Niatrika ity fananganan-tsaina miavaka ity ny fianakavialnen’ny Minisiteran’ny Fitsarana, na ny teto anivon’ny Foiben’ny Minisitera na ny eny anivon’ny Fitsarana Anosy sy ny PAC 67Ha.

📌 « Tsy vitako izaho samy irery, fa mba hiarahantsika mientana » hoy ny lahatenin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.