SEKOLIM-PIRENENA MANOFANA HO MPANDRAHARAHAN’NY FONJA (ENAP): TSY HISY NY TSINDRY AMIN’NY FIFANINANANA HIDIRANA HO MPIANATRA.

📌 Ny Zoma 19 Mey hatramin’ny Alahady 21 Mey 2023 no hanaovana ny fanadinana fifaninanana hidirana ho Mpianatra eo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpandraharahan’ny Fonja « ENAP ». Mpiadina miisa 7.402 no handray hiatrika izany ary ny Renivohitry ny Faritany 6 no misy ny Foibem-panadinana. 250 no ho raisina ka tsy hisy ny kolikoly na tsindry amin’ny fanafahana olona fa izay mahay no afaka raha ny nambaran’izy Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nijery maso ny fomba fanomanana ny fanadinana, tao Tetezambaro Toamasi na. Nampitandrina ny tompon’andraikitra ny tenany mba tsy handray baiko na amin’iza na amin’iza, fa fanadinana tsy misy fiangarana no ilaina. Nanamafy izany ny Tale Jeneralin’ny ENAP, RAZAFINTSALAMA Désiré, ary nanao antso avo amin’ny Ray aman-dReny sy ny Mpanala fanadinana mba tsy handairan’ny fisolokiana fa hifantoka tanteraka amin’ny fahaizana.

✅ Amin’izao fotoana izao dia efa milamina tanteraka, na ny toerana handraisana ny Mpiadina, na ny lazaadina, na ny fitandroana ny fahamarinan’ny fitsarana ny fanadinana.