Fotoam-pitsarana manetriketrika fametrahana ireo Mpitsara hiasa eto anivon’ny PAC na Pôle Anti-corruption eto 67ha Antananarivo.

📌 Tamin’ny Volana Jona 2022 no tapitra ny fotoam-piasan’ireo Mpitsara teo anivon’ny PAC. Mba tsy hampitarazoka ny raharaham-pitsarana momban’ny ady amin’ny kolikoly, dia nantsoina ireo Mpitsara rehetra mahafeno ny fe-petra, handrotsaka ny antotan-taratasy ilaina amin’ny fahafahana mandalo sivana. Dingana maro no narahana ka voatendry ho Filohan’ny Fitsarana Manokana miady amin’ny kolikoly, Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Ramatoa RANDRIANJAFY Felanasoa Fernandine, Tonia Mpampanoa lalàna Ramatoa RAHETLAH Baivola, Zokiolon’ny Mpitsara Mpanao Famotorana sy Mpitsara Mpamoaka didy Ramatoa RAKOTONANAHARY Rojosoa, Mpitsara Mpanao Famotorana sy Mpitsara Mpamoaka didy, Ramatoa isany RAKOTOMANDIMBY Vonimbolana sy RAZAFINDRATSIETY Mirana ary RANDRIANARISOA Henintsoa.

⭕ Tamin’ity Talata faha 16 May 2023 ity izy ireo no napetraka tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ny alalan’ny lanonam-pitsarana manetriketrika, izay notronin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nanamafy hatrany fa laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila sy manakaiky Vahoaka. Vonona ny hanatanteraka izany ireto napetraka tamin’ny toerany ireto, raha ny nambaran’izy ireo, ary hampihatra ara-bakiteny ny ady amin’ny kolikoly, izay fototry ny nanangana ny PAC.

⭐ Nanome voninahitra ny lanonana teto amin’ny PAC 67Ha ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ireo Loholona sy Solombavambahoaka, ny Solotenan’ny Fitsarana Avo Momban’ny Lalàm-panorenana, ny fianakavialnen’ny Fitsarana ary ireo manam-boninahitra sivily sy Miaramila.

🎥 Horonantsary: