Fonjan’Ambovombe:Efa tafaverina am-ponja ireo gadra saika hivoaka.Tsy nisy ny aina nafoy.

📌 Misy fanavaozana fotodrafitrasa, ao amin’ny Fonjan’ Ambovombe. Nanararaotra izany ny voafonja miisa 12 lahy ary nikasa hiala ny Fonja (tentative d’évasion).

🚫 Tao anatin’ny fotoana fampidirana sakafo avy any ivelany no nikasan’izy ireo hanaovana izany ka ny voafonja 10 lahy dia nianika ny « guérite » izay ao anatin’ny fanamboarana, ary tratra teo amin’ny rindrina faharoa, tsy mbola tafavoaka, fa ny roa kosa no efa teny ivelan’ny Fonja no voasambotry ny Mpiandry fonja, ny Zandary, ny Polisy ary ny Fokonolona.

☑ Nandritra izany dia nampiseho ny hakingany sy ny fahaiza-manaony ny Mpiandry fonja ka na nampiasa kitay sy vato aza ireo gadra saika handositra, dia tsy nisy ny aina nafoy, fa ny « Chef de Poste » kosa no naratra, vokatr’izay fampiasan-kerin’ny Voafonja izay. Amin’izao fotoana izao dia efa miverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana eo anivon’ny Fonja’ Ambovombe, ary efa natokana toerana izy 12 lahy saika handositra.