Fistarana Ambaratonga volaohany Toamasina:Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny Tonia Mpampanoa Lalàna..

📌VAHINY Ivy Sandro no Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Toamasina.
Fanambiny ny hifanome tanana amin’ny Filohan’ny Fitsarana, amin’ny famongorana ny mpijirika, ady amin’ny kolikoly ary ny fanatanterahana ny Fitsarana manakaiky vahoaka, araka ny politikam-pitantanana napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡Ao anatin’ny fanatanterahana izany ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, ny fanamafisana ny fitsirihana ifotony ho an’ny ady tany, ny fampiharana ny didim-pitsarana efa nivoaka. Tamin’ny alalan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika, natrehan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana no nametrahana tamin’ny toerany ny Filoha Mpampanoa Lalàna, eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Toamasina.

🔴 Taorian’izay dia notokanana ny trano ho an’ny zotra tokana, « Guichet unique » ho an’ny fandraharahana eto anivon’ny Fitsarana eto Toamasina. Hanampy betsaka ny olona manan-draharaha noho ity trano ity hahitana ny efitrano fandraisana olona sy fanomezana torolalana, Birao fandohavana ny sara ho an’ny fampakaran-draharaha, ary Birao natokana ho an’ny Vaditany.

🚫 Hihena arak’izany ny fivezivezen’ny manan-draharaha sy ny fivezivezen’ny antotan-taratasy.
Marihina fa ity eto Toamasina ity no trano ho an’ny zotra tokana, « Guichet unique » voalohany, raha ho an’ny tontolon’ny Fitsarana.