Fiara Zo: Fanatanterahana ny laharam-pahamehana napetraky ny Ministry ny Fitsarana.

📌Vao nandray ny toerana amin’ny maha-Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana azy Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nametraka laharam-pahamehana. Ao anatin’ izany ny Fitsarana manakaiky vahoaka, ka isan’ny paikady entina manatanteraka izany ny Fiara Zo, izay niainga teto amin’ny Biraon’ny Minisitera teto Faravohitra. Hitety tanana ny Fiara Zo, ka ny Alarobia faha – 26 Aprily dia hihazo an’i Talata Volonondry sy Ankazondandy, ary ny Alakamisy faha – 27 Aprily kosa dia ao Anjozorobe.

➡️Mandritra izany no hihaonana amin’ny vahoaka, hanazavana ny zo sy ny lalana tokony ho fantatry ny olona, handraisana ny hetaheta sy ny fitarainan’izy ireo. Ny Mpitsara, ny Mpirakidraharaha, ny Mpandraharahan’ny Fonja, ny Mpisolovava, ny Notaire samy hifarimbona amin’ny fanazavana ny andraikiny sy ny tsara ho fantatra havokoa.