Fonjabe Marofoto Mahajanga.

📌 Eto Mahajanga indray no nanohizana ny fidinana ifotony ho fanomanana ny fanofakana ny Fotoam-pitsarana 2023.
Ny Fonjaben’ny Mahajanga no notsidihan’ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana­, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANTENASOA Landy Mbolatiana.

⭕ Nitondra teny fankaherezana ho an’ireo voafonja, nanazava momba ny fanalefahan-tsazy sy ny zon’izy ireo, ary indrindra nihaino ny olana sedrain’ny voafonja Ramatoa Minisitra.

⭕ Dinik’asa niarahana tamin’ireo Mpandraharahan’ny Fonja teto an-toerana no nanohizan’ny delegasiona ny fotoana maraina.