FANDAHARAN’ASA « FANARENANA ».

🔷FAMPIOFANANA IREO INFIRMIERA EO ANIVON’IREO TOERAM-PAMONJANA ETO MADAGASIKARA.

📌 Anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha 5-n’ny Filoham-pirenena (Fahasalamana ho an’ny rehetra, sy ho amin’ny taona rehetra), dia nisy ny fampiofanana ireo infirmiera miasa eny anivon’ireo toeram-pamonjana eto Madagasikara. Izany dia anatin’ ny fanatanterahina ireo asan’ny Tetikasa MIKOLO AINA (Douleurs Sans Frontières), izay vatsian’ny Agence Française de Développement vola, amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa FANARENANA eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana .

Izao fampiofanana izao dia ho fanatrarana ihany koa ny tanjon’ny Ministeran’ny FItsarana : « actions 174 et 175 » izay mikendry ny fanatsarana hatrany ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja, amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana mitohy na « formation continue » manaraka ny fiovan’ny teknika fandraisana marary sy ny filan’ny tolotra ara-pahasalamana , mba hisian’ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana manara-penitra ho an’ireo voafonja.

Intelo miantoana ny fiofanana, ka ireo infirmiera miisa telo amby efapolo (43) miasa anatin’ny faritra Analamanga, Atsinanana, Analanjirofo, Vakinankaratra no misitraka izao fiofanana voalohany izao. Eto Toamasina no hanatanterahina ity fiofanana andiany voalohany ity. Maharitra valo andro ny fiofanana ka ny enina andro hanamafisana ny fahaiza-manao ara-tsoratra na « théorie », ary ny roa andro dia hifantohana amin’ny fampiharana na « pratique ». Iarahana miasa amin’ny Fitaleavan’ny ivon-toeram-pampiofanana ireo infirmiera sy mpampivelona eto Madagasikara/ Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izao fiofanana izao.

Hisy ny fiofanana andiany faharoa any amin’ny faritra Toliary amin’ny volana may ho avy izao, ary any Mahajanga no mamarana ny andiany fahatelo, izay atao amin’ny volana jiona.

⭐Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izao fiofanana izao ny Talé misahana ny maha-olona sy ny fanomanana ny fiverenan’ny voafonja eny anivon’ny fiaraha-monina (DHDPRS) ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana izay nisolotena ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, izay notronin’ny Mpandrindra ny Fandaharan’asa FANARENANA, ny Talé-paritry ny fandraharahana ny Fonja eto Atsinanana, ary ny Talé-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana.