Fonjaben’Antsiranana.

♦️ Nitohy Tao amin’ny Fonjaben’Antsiranana ny fidinana ifotony nataon’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Rtoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny delegasiona izay tarihiny.

♦️ Nitafa sy nihaino ny fangatahana sy ny hetahetan’ireo voafonja no fandahara-potoana nataony voalohany.
Taorian’izay dia nanao dinikasa niarahana tamin’ireo Mpandraharahan’ny fonja ny tenany ary nanome toro-lalana sy hafatra ho fanatsarana hatrany ny fomba fiasa ary indrindra indrindra ho fanajana ny lalàna sy ny zon’ireo voafonja.

📌 Tsy Tonga tamin’ny tana-polo Rtoa Ministra fa nitondra vatsy sy fitaovana ka nanolotra :
– vary 1 taonina sy menaka 40 litatra ho an’ny voafonja rehetra .
– mofo sy akondro ho an’ireo voafonja vehivavy ampy taona sy tsy ampy taona.
– “imprimante” ho an’ny Lehiben’ny fonja.
– ary namaha ny olan’ny fahazoan-drano izay fiaraha-miasa manokana tamin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akora azo havaozina ary ny JIRAMA, izay hisaorana manokana.