FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ZON’OLOMBELONA.

⭕ Notontosaina androany Sabotsy, 10 desambra 2022 teo amin’ny Parvis Analakely ny lanonana manetriketrika nankalazana ny fitsingerenan’ny daty nanaovana ny « fanamnbarana iraisam-pirenena momba ny zo’olombelona » na ny « Déclaration Universelle des Droits de l’Homme », 10 desambra 1948.
Ny Ministeran’ny Fitsarana, sy ireo mpiara-mientana eo amin’ny sehatry ny Zon’olombelona mahaleo tena sy tsy miankina amin’ny Fanjakàna sy ireo rafitra eo anivon’ny Firenena Mikambana sy ny fikambanana mampivondrona ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay miasa sy monina eto Madagasikara no niaraka nankalaza ny faha 74 taona.

📌 Lohahevitra nosafidin’ny Firenena mikambana tamin’ity taona ity dia ny
« FAHAMENDREHANA, FAHAFAHANA ARY FAHAMARINANA HO AN’NY REHETRA ».

📌 Ho an’I Madagasikara manokana kosa dia nosafidina ny lohahevitra miompana amin’ny ffiarovana ny zon’ny olona voan’ny albinisme.
Nanamarika ny fankalazana ny fifandimbiasam-pitenenan’ireo olomanankaja tonga nasaina ka isan’izany ny solontenan’ny fiaramonim-pirenena, Ramatoa Sabine LAUBER, Mpanolo-tsaina voalohany amin’ny zon’olombelona, Andriamatoa Issa SANOGO, Mpandrindra maharitra ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, ary Andriamatoa RAKOTOZAFY François, Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana.
Tao anatin’ny lahateniny no nanambaran’Andriamatoa Minisitra fa firenena mandala ny zon’olombelona i Madagasikara ary efa maro ny dingana vita amin’ny fanajana sy fiarovana ary fampiroboroboana izany eto amin’ny firenena. Nilaza ihany koa ny tenany fa tomponan’andraikitra ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fanajana ny zon’olombelona”.
Isan’ny nanamarika ny fankalazana ihany koa hy famelabelaran-kevitra narahim-panentanana momba ny zon’ireo olona voan’ny albinisme, nataon’Andriamatoa TOMBOHAVANA Fabien, lehiben’ny sampandraharaha misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

📌 Noravahana fampisehoana slam sy hiragasy ny lanonana, izay niompana bebe kokoa tamin’ny fanentanana ny olona ny amin’ny tokony hiarovana ireo olona voan’ny albinisme.

📌 Ankoatr’ireo dia nisy fizarana loka ho an’ireo olona 9 nahazo voalohany tamin’ny fifaninana isankarazany momna ny zon’olombelona izay nokarakarain’ny UNESCO sy fizarana certificats ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Comité de Rédaction des Rapports nationaux des Droits de l’Homme miisa 33 izay vao avy nanaraka fiofanana manokana niarahana tamin’ny Bureau du Haut Commissariat des Nations Unies eto Madagasikara.

📌 Araka izany dia manamafy ny Ministeran’ny Fitsaràna fa zava-dehibe ny zon’olombelona, ary tokony harovana sy hajaina. Ary manentana ihany koa ny amin’ny fiarovana ireo olona voan’ny albinisme. Andraikitry ny rehetra izany, satria olona iray ihany isika , na dia tsy mitovy loko sy endrika aza.
Nofaranana tamin’ny fitsidihana ireo trano heva maro ny lanonana.