Fananganan-tsaina.

🇲🇬⚖ Fananganan-tsaina farany amin’ity taona ity eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra izay notarihan’i Mpitahiry ny tombokasem-panjakana­ Ministry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOZAFY François.

⭕ Nifandimby nandray fitenenana ny:
– C2S ka nanolorana ireo loka azo nandritra ny fifaninanana ASIEF natao tany Toliara.
– Filohan’ny Association Mpiasan’ny Minisitera Foibe namita ireo adidy mbola tsy vita tamin’ireo mpikambana.

⭐ Fisaorana sy fankasitrahana no teny nentin’A/toa Ministra tamin’ny nahavitan’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona ny Sabotsy 10 desambra lasa teo.
Fampitam-baovao mahakasika ireo hetsika sy Lanonana eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana no namaranany ny laha-teniny.