Posted in Actualités

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY ANTANANARIVO: NANDRAY NY ASANY NY TONIA MPAMPANOA LALANA.

📌 Ny Alatsinainy 22 Mey 2023 no nandray ny asa maha-Tonia Mpampanoa Lalàna, eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona. Ny fanatanterahana ny laharam-pahamehana napetraky ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana no himasoany, dia ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila ary ny Fitsarana manakaiky vahoaka.

🔴 Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana dia nampahatsiahy ny andraikitry ny Tonia Mpampanoa Lalàna, izay tena saropady tokoa ka mila olona sahy mandray andraikitra, ary tena vonona ny hiady amin’ny kolikoly tokoa.

⭐ Olo-manankaja sivily sy Miaramila maro no nanatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana tamin’ny toerany ny Tonia Mpampanoa Lalàna Antananarivo.

Posted in Actualités

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY MAROANTSETRA, AMPERIN’ASA NY FILOHANY, NANATRIKA NY FAMETRAHANA AZY TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌 Ny Zoma 19 Mai no nanaovana ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana an-dRamatoa MAEVAZAKA Josie Thérencia, ho Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Maroantsetra.

⭕ Fanambiny ny hanao laharam-pahamehana ny ady amin’ny famotehana ny tontolo iainana, ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ary ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, indrindra ny ady tany, izay tena mahazo vahana eny anivon’ny fiaraha-monina.

⭕ Tetsy an-kilan’izay, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, dia nanamafy hatrany fa tsy maintsy halavirina ny kolikoly, ary nanao antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra amin’ny raharaham-pitsarana, mba samy hanatanteraka izany. Namafisiny ihany koa fa miara-miasa ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD ka misy ny fanatontana boky, mirakitra ny didim-pitsarana nivoaka tany aloha, hahafahana mampitovy ny didy mivoaka amin’ny raharaha mitovy, ka tsy hisy ny fitanilana.

➡ Taorian’ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika, nametrahana tamin’ny toerany, ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Maroantsetra, dia nitsidika ny Fonja tao an-toerana ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ary nanolotra jiro hanazavana ny toerana sy vary hanampiana ny eo anivon’ny Fonja.