Posted in Actualités

Fitsidihana arak’asa momba ny ady amin’ny fampijaliana.

📌 Nihaona tamind-Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministrin’ny Fitsarana, ny « Contrôleur Général de Police » RANDRIANARISON Fanomezantsoa Rodellys, Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ary ny Général de division GELLE Serge, Sekreteram-Panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny 25 aprily 2023 ny iraka manokan’ny Firenena Mikambana izay notanterahin’ny Komity misahana ny fisorohana ny fampijaliana.
✅ Tontosa antsakany sy andavany ny fitsidihana arak’asa voalohany izay notanterahin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana misahana ny fisorohana ny fampijaliana teto Madagasikara ny 16 ka hatramin’ny 27 aprily 2023.
⭕ Ankoatry ny fitsidihana ireo toerana fitazomana olona voafetra fahafahana toy ny fonja, ny Kaomisarian’ny Polisim-Pirenena sy ny Borigadin’ny Zandarimaria dia nisy koa ny fivoriana marososona niarahan’ny delegasiona tamin’ireo antokondraharaham-panjakana toy ny Ministera maromaro voakasika, ny Fitsaràna isan-tsokajiny ary ny fahefana Mpanao lalàna, ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momna ny zon’olombelona ary ny fiarahamona sivily.
🔷 Namaranana ny fitsidihana ny fandraisan’ireo Minisitra telo voakasika mivantana amin’ny ady amin’ny fampijaliana dia ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministrin’ny Fitsaràna, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ary ny Sekreteram-Panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ireo Delegasiona.
🔴 Nandritra izany fihaonana izany no nanambaran’ireo iraka manokana ireo ny fankasitrahany ny ezaka vitan’ny fanjakàna malagasy momba ny ady amin’ny fampijaliana. Isan’izany ny fankatoavana ny fifanarahana fanampiny amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena miady amin’ny fampijaliana sy ny sazy hafa na fampiharana habibiana, tsy maha-olona n’a manambany ny maha olona, ny fanavaozana ny lalàna laharana faha-2008-008 mba hifanaraka amin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena ireo, ny fanatsaràna ny tontolon’ny fonja sy ireo voafonja, ny fanatsaràna ny asa fikarohana sy fanenjehana ireo mpanao heloka eny anivon’ny sampandraharahan’ny polisy sy ny zandarimaria, ny fandraisana an-tanana ireo olona manana olana ara-tsaina ary ny fametrahana ny « Mécanisme National de Prévention ».
➡ Na izany anefa dia mbola misy ny ezaka tokony hatao izay nolazaina tao amin’ny fanamarihana mialohan’ny hamoahana ny tatitra.
Marihina fa tafiditra ao antin’ny andraikitry ny Firenena izay nankato ny Fifanekena fanampiny amin’ny Fifanarahana momba ny fampijaliana na ny sazy… ny fitsidihan’ny Komity misahana ny fisorohana ny fampijaliana.
🔴 Ny tanjona dia ny hanatsaràna ny ezaka atao fisorohana ny fampijaliana atao amin’ny olombelona izay voafetra ny fahalalahany ary koa fanampiana ny Fanjakana amin’ny fampandehanana ny Rafitra nasionaly momba ny fiarovana ny fampijaliana.