Posted in Actualités

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY AO IHOSY: NAVAOZINA TANTERAKA, VOKATRY NY FIARAHA-MIASA TAMIN’NY PNUD.

📌Fotodrafitrasa efa tranainy ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ihosy. Izay vao mba nisy fanavaozana, ka vola mitentina 250 Tapitrisa Ariary no nentina nanamboarana azy. Io dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD.

⭕Andaniny, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ankoatry ny fisaorany ny Mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanohanana ara-bola, dia nanazava ny fotokevi-dehibe, mifandraika amin’ny laharam-pahamehana napetrany hitondrana ny Minisitera, ary nanao antso ho an’ny Mpiara-miasa eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ihosy, izay hampiasa io fotodrafitrasa navaozina io, mba ho mendrika amin’ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana izany laharam-pahamehana izany.

⭕Tetsy an-kilany, ny Solotena maharitry ny PNUD, Ramatoa Natasha Van Rijn dia nilaza fa mbola ho mafy hatrany ny fanohanan’ny PNUD, ny Minisiteran’ny Fitsarana nohon’ny fahatsapan’izy ireo fa hita soritra ny firosoana amin’ny ady amin’ny kolikoly, ny Fitsarana tsy mitanila sy ny Fitsarana manakaiky Vahoaka, izay tena maharesy lahatra azy ireo.
☑Ankoatry ny fanavaozana ny Lapan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, dia mbola nanolotra fitaovana mitentina 30.000 Dolara ihany koa ny PNUD, hanamafisana ny fanatrarana izay laharam-pahamehana napetraky ny Minisitry ny Fitsarana izay, ka ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Ihosy sy ny ao Betroka no hampiasa ireo fanomezana ireo.