Posted in Autres Evenements

Fitsidihana Tampoka ny fonjan’Antanimora.

Nahita maso ny fitantanana sy ny fiainan’ny voafonja ny Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

Fonjan’Antanimora: Tonga tampoka tsy nampilaza ny Ministry ny Fitsarana.

📌Ny Sabotsy faha-22 Aprily 2023, vao nigadona teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana dia nivantana tao amin’ny Fonjan’ Antanimora. Fitsidihana tampoka tsy nisy nahafantatra.

⭕️Raha ny voasoratra ao anatin’ny boky dia miisa 4. 600 ny voafonja ao Antanimora. Nampitovy ny isa voalaza sy ny olona mbola ao am-ponja ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nandalo tsirairay teo anatrehany ireo voafonja, afaka namaly ny fanontaniana napetraka taminy ny tsirairay, tao anatin’izany ohatra ny fotoana nidirana sy ny antony ary ny dingana ara-pitsarana efa vita. Nisy ny lesoka hitan’ny Minisitry ny Fitsarana izay nandraisany fanapahankevitra avy hatrany, ary nanomezany toromarika mazava ho an’ny Mpitantana ny Fonjan’ Antanimora. Io fomba fiasa io dia hanatevenana ny paikady entina manatsara ny tontolon’ny Fitsarana sy ny fitantanana ny Fonja eto Madagasikara, ady amin’ny kolikoly ary famerenana ny fahatokisan’ny Vahoaka ny Fitantanana ny raharaham-panjakana. Marihina fa naharitra ora dimy ny asa nataon’ny Minisitry ny Fitsarana tao amin’ny Fonjan’ Antanimora.

Posted in Actualités

Nomena fanafody mamono bibikely sy notolorana solosaina ny Fonjaben’ Antsinanana.

📌Mametraka ho laharam-pahamehana ny fanajana ny zon’ olombelona ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana. Ao anatin’izany ny fahadiovan’ ny fonja sy ny fampitaovana azy, mba hanaraka ny fenitra ilaina, satria ao anatin’ny raharaham-panjakana havokoa izany.

⭕️Ho fanatanterahana izany, dia nomen’ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fanafody famonoana BIBIKELY ary notolorany solosaina ny Fonjaben’ Antsiranana. Ireo dia ho entina manatsara ny tontolo iainan’ny voafonja sy hanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ity Fonjaben’ Antsiranana ity.

Posted in Actualités

Miroso ny fambolena ao amin’ny camp Pénal Antsalaka. Fahavitan-tena ara-tsakafo eny afonja no tanjona.

📌 Midadasika ny tany, eto amin’ny Camp Pénal Antsalaka Antsiranana. 50 ha no ezahana ho volena, ka tracteur telo no nampiasaina namadihana ny bainga, vokatry ny fiaraha- miasan’ ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny sehatra tsy miankina.

✅ Rehefa voaasa ny tany dia miroso ny fambolena, efa misy rahateo ny masomboly. Nijery ny fandroson’izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary nitondra fanarenana ara-tsaina ho an’ny Voafonja. Nambarany fa rehefa tapitra ny fotoana fanefan-tsazy, dia azo hatao asa fivelomana eny anivon’ny fiaraha-monina ny fampiharana ny fiofanana sy ny traikefa azo teto amin’ny « Camp Pénal ».

⭕ Fantatra fa afaka efabolana dia hisy sahady ny vokatra hiakatra. Ny fahavitan-tena ara-tsakafo eny anivon’ny fonja no tanjona amin’izao tetikasa izao.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana notanterahan’ny Masoivohon’ny nosy Maurice sy Iran.

📌 Misesy ireo Masoivoho vahiny tonga eto amin’ny Birao fiasan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra. Ao anatin’izany izany ny Masoivohon’ny Nosy Maurice sy ny Masoivohon’i Iran ny 20 Aprily 2023. Na samy manana ny sehatra iasany azy ireo dia samy niaiky fa goavana ny fanamby vaovao, napetraka ho fanatsarana ny tontolon’ny Fitsarana.

⭕ Eo anatrehan’izany, dia nanamafy ny fanohanana sy fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ireo Masoivoho vahiny roa ireo.