Posted in Autres Evenements

Fampirindrana ny didy raikitra eo anivon’ny Fitsarana : Tontosa ny atrikasa fananganana ny komity hanatanteraka izany.

📌 Nandritra ny roa andro dia nifantoka tamin’ny fametrahana ny komity hitarika, hamolavola, hanatanteraka sy hanara-maso ny fampirindrana ireo didy raikitra rehetra eny anivon’ny Fitsarana ny Minisiteran’ny Fitsarana nisy ny Sekretera Jeneraliny Gabrielle Ain’Harimanga Raby Savatsarah sy ny filohan’ny Fitsarana Tampony Rakotonavalona Ranary Robertson ary ny PNUD mpiara-miombon’antoka.

⭕ Tsiahivina fa vao andro vitsy izay no nihaona ny solontena maharitry ny PNUD Natasha Van Rijn sy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny Projet RINDRA tohanan’ny USAID sy PNUD : fanamafisana fifampitondrana eto Madagasikara mitondra izao atrikasa izao.

🔴 Ny fampirindrana ny didy raikitra dia hampihena ny fiakaran’ireo raraharaha any amin’ny fitsarana fandravana, hisoroka ny fahasamihafan’ny didy havoaka amina raharaha mitovy ary hiantoka ny filaminan’ny asam-pitsarana.

♦️ Ny fahatanterahan’io tetikasa io dia manamafy ny fitondrana tsara tantana kasaina apetraka, tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanafainganana ny fitantanana ny asam-pitsarana ary manamora ny fikarakarana ireo olom-pirenena manana raharaha hotsaraina.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana manakaiky vahoaka, Manaparitaka ny lalàna eny ifotony. Nisitraka izany ny tao Ambohitseheno.

📌Notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitseheno, Distrikan’i Manjakandriana ny fampahafantarana ireo paik’ady ara-pitsarana sy fanapariahana lalàna.

⭕ Ny Sampandraharan’ny Fanapariahana lalàna ao amin’ny Foibem-pitondrana momba ny Fandinihana sy ny Fanavaozana lalàna (DERL) eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana no nitondra ny fanentanana sy fanazavana manoloana ireo tomponandraikitra maro samihafa sy ireo mponina tao an-toerana sy ny manodidina.

🔴 Novelabelarina nandritra izany ny mikasika :
– ny fiankohonana ;
– ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy ;
– ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy ;
– ny manodidina ny fananan-tany ;
– ny hetra trano sy ny hetra tany ;
– ny fanenjehana ny fandikan-dalàna.
📌Hitohy manerana ny Faritra maro ny hetsika izay tohanan’ny PAJMA.