Posted in Actualités

FITSARANA AMBONY ANTSIRANANA.

♦️ Ny Fitsarana Ambony Antsiranana no nanakatonana tanteraka ny fotoam- pitsarana manetriketrika famaranana ny taom-pitsarana 2022 ary fanokafana ny taom-pitsarana 2023, ny andron’ny 24 martsa 2023.

📌 Tatitry ny asa vita ny taona 2022 avy ao amin’ny Fitsarana Ambony, ny Fitsarana Ambaratonga voalohany efatra (04) amperinasa izay ao amin’ny fari-piadidiany (Antsiranana , Antalaha , Ambanja ary Nosy-Be ), ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana ary ny Fitsarana ara-bola.
📌 Nanasongadina ireo vina sy ezaka hatao ho fanatsarana ny fomba fiasa ny sampam-pitsarana tsirairay, ary indrindra hanamafy ny ady amin’ny Kolikoly sy ho Fitsarana manakaiky ny vahoaka hatrany.

♦️Taorian’ny fisokafan’ny taom-pitsarana 2023 dia nanatontosa ny lanonam-pitsarana fametrahana ny:
– Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsiranana Andriamatoa RANDRIAMAHAVORISOA Gilberto Ralaingita sy ny
– Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Nosy-Be Andriamatoa ANDRIATSARAHARY Donatien.

♦️ Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana rehetra ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ny delegasiona notarihiny avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana Tampony.