Jour : 20 mars 2023
Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny Masoivohon’ny Torkia.
📌Anio hariva ny 20 Martsa 2023 dia nanantontosa fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Farvohitra ny masoivohin’ny Firenena Torkia🇹🇷.
⭕ Fiaraha-miasa mahomby sy azo tanterahana amin’ny lafiny raharaha ara-pitsarana eo amin’ny firenena roa tonta no nifantohan’ny laha-dinika.
Marihina fa mbola tsy misy ny fifandraisana ara-pitsarana eo amin’ny Firenena roa tonta.







Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina.
📌Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny masoivohin’ny Vondrona Eoropeanina anio 20 Martsa 2023 teto Farvohitra.
Nitondra ny teny fiarahabana ho an’ny Rtoa Ministra ny amin’ny naha-voatendry azy amin’izao toerana izao ary indrindra ihany koa hanamafy ny fiaha-miasa.
🔷Tsara ny manamafy fa anisan’ny nanampy betsaka ny Ministeran’ny Fitsarana tamin’ny fanomezana ireo fitaovana ara-informatika sy foto-drafitrasa nahafahana nikirakira ny Haitao Ara-Kajy mirindra ny Vondrona Eoropeanina.
⭕Efa mipariaka eny anivon’ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany, Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana ary ny Fitsarana ara-bola manerana ny faritany enina ireo « Logiciel » novatsiany vola.







Fananganan-tsaina.
♦️Teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra indray no nanatontosana ny fananganan-tsaina izay notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra.






