Posted in Actualités

Fotoam-pitsarana manetriketrika famaranana ny taom-pitsarana 2022 sy fanokafana ny taom-pitsarana 2023.

📌 Nanazava ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana ny fotoam-pitsarana manetriketrika ny Mpitahiry ny Tombokasem-pitsarana, Ministry ny Fitsarana,
R/toa RAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teo anatrehan’ireo mpanao gazety tonga teny an-toerana.

📌 Tamin’izany ihany koa no nanomezany fanazavana mahakasika ny ady tany sy ireo raharaha mafana amin’izao fotoana izao.

🎬 Manasa anao hanaraka ny horonan-tsary anio.

Posted in Actualités

Dinik’asa sy fivoriana.

📍 Tao aorianan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika dia niroso avy hatrany nanatanteraka dinik’asa sy fivoriana niaraka tamin’ireo Lehiben’ny Mpirakidraharaha « Greffier en Chef » sy ireo lehiben’ny mpitan-tsoratra « Chef Secretariat » eo anivon’ny Fitsarana Tampony sy ny fari-piadidian’ny Fitsarana Ambony Antananarivo ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

♦️ Tsy nisy nipika ny dinika nandritra ny fivoriana.

Posted in Actualités

Ny Fitsarana Ambony Antananarivo indray no nanatanteraka ny fotoam- pitsarana manetriketrika famaranana ny taom-pitsarana 2022 ary fanokafana ny taom-pitsarana 2023.

📌 Nandritra izany no nanaovana ireo tatitra ny asa vita ny taona 2022 avy eo amin’ny Fitsarana Ambony, ny Fitsarana Ambaratonga voalohany fito (07) izay ao amin’ny fari-piadidiany (Ambatolampy, Antsirabe, Ankazobe, Tsiroanomadidy, Miarinarivo, Arivonimamo, ary Antananarivo), ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Kolikoly (PAC), ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ary ny Fitsarana ara-bola.

📌 Nisongadina ny momba ny fitsarana misahana ny herisetra atao amin’ny maha-lahy na maha-vavy (VBG) ary koa ny fitsarana ady heloka amin’ny tamban-jotra (ciber criminalité) izay mirongatra amin’izao fotoana izao.

📌 Nanao ny ezaka hatrany ny Fitsarana na dia teo aza ny tsy fahampiana indrindra ara-olona sy ara-pitaovana, ary hametraka vina ny amin’ny:
– fanafainganana ny asam-pitsarana,
– fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny didy havoaka,
– fanohizana ny ezaka amin’ny taha-70/30 amin’ny voafonja voatsarasy tsy voatsara,
– fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly,
– fampitomboana ireo fitsarana mitety vohitra,
– fanapariahana sy fampahafantarana ny zo sy lalàna ho an’ny vahoaka, ary hiezaka hatrany ho Fitsarana manakaiky vahoaka.

📌 Nanentana ny Mpitsara rehetra ny Filoha Voalohany mba ho mendrika, manaraka ny lalàna velona, mandalina ny fahamarinana sy fahamasinana.

♦️ Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny Filoha Voalohan’ny Fitsarana Tampony , ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony ary ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.