Jour : 4 mars 2023
Posted in Actualités
Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga.
Published Date: 4 mars 2023
⚖️ Tafatafa fohy nentin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nandritra ny fanolorana ny voatsirambin’ny tanana izay nentina taorian’ny fidinana ifotony teny amin’ny Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga.
📌 Tsy niandry ela fa Tonga namaly avy hatrany ny hetahetan’ireo Mpandraharaha ny Fonja tao amin’ny Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga
ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ny solotenan’ny Delegasiona niaraka aminy.
📌Ka tonga nanolotra « Ventilateur » maromaro, sy siniben-drano 10m3 fampiakarana tosiky ny rano sy fitahirizana rano ho an’ny Fonjaben’ny Marofoto Mahajanga Rtoa Minisitra.





